Andry Tsiavalona
Miakatra eny amin’ny haino aman-jery daholo tato ho ato, ny mpanohana sy ny ao amin’ny governemanta ary ny ao amin’ny parlemanta miaro izao fitondrana, tsy mahomby sy itoeran’ny haratsiana (sans qualité) rehetra izao. Naverina teto ihany koa ireo masoivoho malagasy miasa any ivelany nanambara fa manohana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny fitondrana amin’ny ankapobeny.
Rehefa tsy voaloa ny vatsimpianaran’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy eny amin’ny ivotoeram-pampianarana ambaratonga ambony dia ahilika any amin’ny « digitalisation » ny anton’izany. Tsy voaloa ihany koa ny tambikaraman’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary ny mpandraharaha ara-teknika sy ara-pitantanana (PTA) eny amin’ny anjery manontolo ihany. Efa hifarana anefa ny taom-pianarana amin’izao fotoana izao. Tsy voaloan’ny fitondrana ihany ny karaman’ireo orinasa salantsalany (PME) nanao fikojakojana ny làlana. Niezaka nanadio tena ny minisitry ny asa vaventy raha niakatra tao amin’ny fahita lavitra tsy miankina iray ka nanome tarehimarika fa misy tsy nahavita ny asa nampanaovina azy ny orinasa sasany. Nisy koa nanao fotodrafitra toy ny tetezana kanefa dia tsy nanaram-penitra izany ka raha vao tonga ny orambe dia lasan’ny rano izany. Ny manahirana dia tsy maintsy misy ny mpanara-maso ny fahafenon’ny fepetran’ireo akora fototra (matériaux : fer, dosage béton) entina manao ny asa (LNTPB) ka tsy azo ekena ny filazana fa nanao asa tsy ara-dalàna ny orinasa. Tsy mitaky foatoana ela izany fa eo no eo ihany dia tsy azo tohizana ny asa rehefa tsy mahafeno ny fepetra ny akora fototra fa tsy aorian’ny fahavitan’ny asa. Na niova impiry na impiry ny minisitra tomponandraikitra ny asa vaventy dia misy ny fitohizan’ny asa ka, angamba, nomena ny orinasa manana olom-pantatra ao amin’ny fitondrana ny asa ka tsy afaka nanara-maso ny rafitra manao izany.
Tsy voaefan’ny kaominina sasany eto amin’ny Firenena ny karaman’ny mpiasa ao aminy ary raha ny eto an-drenivohitra manokana no asian-teny dia hita fa tsy voaefan’ny ben’ny tanàna ny karaman’ireo mpandraoka fako ao amin’ny orinasa (SMA) nasolo ny SAMVA ka nivangongo ny fako manerana ny tanàna. Araka ny mahazatra izao fitondrana izao dia rehefa mitokona noho izany antony izany ny mpiasa dia mivoaka ny vola. Izay no mampametram-panontaniana hoe tratry ny tsy fahafahana mandoa vola (cessation de paiement) intsony ve ny fitondrana sa misy vola nahodikodina any ho any ka rehefa may ny endim-boanjo dia voatery havoaka.
Nisy gazety mpiseho isan’andro Antananarivo teo aloha, Ravalomanana Lalao, sy ny mpanolotsainy manokana, Ravalomanana Marc, tamin’ny tombotsoan’izy ireo manokana ny volan’ny « Easy Park ». Mampiaiky fa tena misy manampahaizana manokana amin’ny famoronana atontan-taratasy hoentina manenjika olona sy hanodikodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny fahotàna mahafaty ataon’ny ben’ny tanàna ankehitriny momba ny vola amina miliara ariary maro nindraminy ao amin’ny CNaps. Ambonin’izany dia ampahafirin’ireo « veliranon’ iardavivo » nataon’ny ben’ny tanàna ankehitriny moa no tanteraka satria raha ny lalana eto an-drenivohitra no jerena dia lavaka etsy sy eroa ary miteraka fitohanana mampiteny ny moana izany. Na izany na tsy izany dia misy ny manana maso be tsy mahita ka milaza fa mandroso ny Renivohitra ka mitaky ny mbola hirotsahan’ny ben’ny tanànana ankehitriny, Andriatsitohaina Naina, amin’ny fifidianana manaraka.
Raha ny veliranon’ny filohan’ny Repoblika indray no jerena dia nisy lahatsoratra nivoaka tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro nilaza fa ny roambinifolo isan-jaton’izany ihany no tanteraka amin’izao fotoana izao. Toa manaporofo izany tokoa ny zava-bitan’izao fitondrana izao satria mbola manao fampielezankevitra amin’ny fampanantenana mampatory mitsangana ny mpitondra. Raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana tsy miankina (ONG) miisa roa, nivoaka an-gazety omaly kosa dia misy roambidimampolo isan-jaton’ny mpifidy (52%) eto Madagasikara, hono, no mbola hifidy an-Rajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 2023. Raha valo isan-jaton’ny mpiray tanindrazana ihany no manana fari-piainana azo lazaina fa mihoatra lavitra noho ny an’ireo roambisivifolo isan-jato dia sarotra no hinoana io tarehimarika navoakan’ireo fikambanana tsy miankina ireo. Azo hinoana fa ny fomba nentina nanao ny fanadihadiana no nolakanina (méthode canalisée) ho amin’io valiny nokendrena io. Mandady amin’ny tany ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao, tsy fidiny ho azy izany, fa izay no ampiainin-dRajoelina Andry azy ka ny mahazo tombontsoa ihany no mbola hifidy azy.