Raharaham-pirenena – Milaza ho namana, nefa misy tsy namanao ny zandary

Ny Valosoa

Nankalazaina ny 02 Aprily 2022 ny andron’ny zandary, misy isan-taona ny fankalazana, ny teny filamatra noraisina tamin’ity taona ity dia toy izao : “Namanao ny Zandary “.

Raha tsiahivina ny tantara dia ny 01 Aprily 1969 no nandray ny fitantanana ny “Gendarmerie Nationale” ny Komandà Richard Ratsimandrava.

Ny Jeneraly Boukino, Sonegaly mizaka ny zompirenena frantsay, no nifehy ny “Gendarmerie Nationale”, taorian’ny niverenenan’ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960.
Nahatsapa ny Filoha Philibert Tsiranana tamin’izany, fa tonga ny fotoana tokony hanendrena teratany malagasy amin’izay, hitantanana ny “Gendarmerie Nationale”, ka ny Kapiteny Richard Ratsimandrava manamboninahitra tao amin’ny tafika no nalefa niofana momba ny “Gendarmerie” tany Melun tany Frantsa, niverina avy tany izy dia notendrena ho komandin’ny “Gendarmerie Nationale” ny 01 Aprily 1969, ary nampiakarina teo amin’ny laharan’ny “Commandant” .

Izay no mahatonga ny fankalazana isan-taona ny andron’ny zandary isaky ny fiandohan’ny volana aprily, ary tsy io ihany no vaninandro lehibe ho an’ny Zandary fa omen’ny Zandary lanja ihany koa ny 11 Febroary, satria ny 11 Febroary 1975 no maty nisy namono ny Kolonely Richard Ratsimandrava, izay Manamboninahitra zandary ambony laharana indrindra, no sady filohampirenena maty amperinasa ihany koa.

“Tanindrazana sy Lalàna”, no teny filamatry ny Zandarimarimpirenena, izay marihana ihany koa fa ny Kolonely Richard Ratsimandrava, no nanagasy ilay hoe “Gendarmerie Nationale”, ka lasa Zandarimariampirenena”, saropiaro fatratra tamin’ny fanajana ny ” Lalàna ” ny Kolonely Ratsimandrava , nololohaviny an-tampon’ny loha ihany koa ny maha”tandroka aron’ny vozona” sy ny maha”mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ” ny zandary , ary nomeny hasina koa ilay hoe “Tanindrazana”, ka naverimberiny matetika fa ny tanindrazana dia i Madagasikara sy ireo vahoaka malagasy mponina ao aminy.

Herinandro katroka taorian’ny nankalazana ny andron’ny Zandary, ny Sabotsy 09 Aprily 2022 teo dia nampiseho herisetra ny Zandary, dia ireny fisamborana an’i Ramatoa Clemence Raharinirina teny Ankorondrano ireny , izay vehivavy kely vatana tsy nitondra fitaovampiadiana fa dia tanampolo, kanefa dia zandary goavambe no nibeda azy sy nitondra azy an-keriny “natao famotorana” hono, marihana fa tsy mbola niditra teny Analakely i Raharinirina Clemence, fa vao nitafatafa tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Ftar teny Ankorondrano.

Mampalahelo ny toe-javatra toy izany, satria tsy toetran’ny Kolonely Ratsimandrava ny mampiasa herisetra, fony izy Ministra niadidy ny Atitany aza dia nalalaka ny fanehoankevitra , tsy nisy ny sivana saingy ny mahamenatra ny 05 Febroary 2021 nahafeno 46 taona nandraisin’ity Manambonihatry ny Zandary ity ny fahefana feno avy tamin’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ny 05 Febroary 1975 dia noraran’ny fitondrana tarihan’ny Filoha Rajoelina ny fandefasana ny “Mbs” ao amin’ny “Canal plus” sy “Startimes” ary “Parabole ” ary tsy ela akory fa vao tamin’ny Sabotsy teo, herinandro katroka taorian’ny nidradradradrana hoe “Namanao ny Zandary” ny 02 Aprily 2022 no nibaribary, fa toa tsy tena namana ireto zandary ireto matoa nahavita herisetra toy ireny tamin’i Clemence kely ireny, sady toa niaro ny sezan’Ingahy Mera Vazahabe fa tsy nijery ilay “Tanindrazana” .