Vehivavy TIM Analamanga – Nanome rà, aina ho an’ny mpiray tanindrazana aminy

Ny Valosoa

Taorian’ny hetsika famonjena ireo traboina vokatry ny rivodoza nisesy teto amin’ny firenena, izay nitondràn’ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) avy eto Analamanga anjara dia tsy mitsahatra mijery izay rehetra mety hahasoa ny mpiara-belona aminy izy ireo araka ny tarigetran’ny filoha mpanorina ny antoko TIM ny filoha Marc Ravalomanana.

Amin’ny maha renim-pianakaviana azy ireo dia eo ny fijerena ny lafiny fahasalamana, indrindra ny fisian’ny marary izay hita ankehitriny fa sahirana noho ny tsy fahampian’ny rà izay aina eny amin’ny hopitalim-panjakàna. Noho izany, nisy ny hetsika fanomezana rà maimaimpoana nataon’ireo Vehivavy TIM Analamanga. Nisy ny fanentanan’ireto farany ireo tanora, na vehivavy io na lehilahy hiaraka aminy hanome rà maimaimpoana ny mpiray tanindrazana aminy, ka mpitsabo avy ao amin’ny foibe fanomezan-drà ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) no tonga tao Bel’Air, foiben-toeran’ny antoko TIM, nanatanterahana izany. Nisy ny antso nataon’ny dokotera Jean Aime ny amin’ny andraisan’ny fikambanana maro samihafa, mba hanome rà ireo marary, satria maro no mila izany amin’izao fotoana izao. Afaka manatona ny toerana izay manome rà izahay ao amin’ny foibe fanomezan-drà raha ilaina izany hoy izy.

Santatra ambavarano no natao hoy ny filoha vonjimaika ny Vehivavy TIM Analamanga, Arphine Rahelisoa, fa hitohy hatrany ny hetsika, ka afaka 4 volana dia hanao hetsika fanomezan-drà indray ny vehivavy TIM, izay hiantsoana ny rehetra ho tonga amin’izany: na lahy, na vavy, na antitra, na tanora.