Sôh’son
Ny fahataran’ny fepetra noraisin’ny fitondrana tamin’ny taona 2020 ho amin’ny fanakatonana ny sisintany sy habakabak’i Madagasikara, dia tafiditra ary nirongatra ny fihanaky ny valanaretina teto amin’ny firenena. Fikorontanam-piainan’ny sarambabem-bahoaka sy ny sehatra samihafa rehetra no vokatr’izany. Tsy noheverin’ny fitondrana Rajoelina ny halalin’ny ho fiantraikan’izany na dia efa nilaza aza ny maro, hatramin’ny filoha Ravalomanana Marc, fa tokony hidina ny sisintany tany amin’ny voalohandohan’ny taona. Ny nataony ihany no nataony, mbola navela hidanadana ny habakabaka ary navela hiditra ny fiaramanidina rehetra, toy ny misy olona nandrasana raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy. Dia ny vahoaka no nifafa ny kihony taorian’izay.
Avy eo indray, tsy rototra tamin’ny fampidirana ny vaksiny fanefitra amin’ny covid-19 ny fitondrana na dia efa namporosihan’ny hafa aza, ary mbola hatramin’ny filohan’ny mpanohitra RMDM nanentana ny amin’izany, fa tokony atao io. Dia niaraha-nahita ny faharisihan’ny vahoaka nanao an’izany ary tsy tafahoatra sy manodidina ny 5% teo ny taha amin’izay fanaovam-baksiny izay hatramin’izao na dia nampidirina teto avokoa aza ny karazam-baksiny samihafa. Tsy tratra ny tanjona amin’ny tokony ho taham-baksinin’ny firenena rehetra maneran-tany miatrika ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina. Ny vaovao farany amin’izany ary izao efa miomana hiditra amin’ny fanaovam-baksinay daozy faha-efatra ny firenena sasany any Eôrôpa any. Isika eto Mdagasikara anefa aiza ho aiza amin’izany? Sa efa mianona amin’ny ezaky ny olom-pirenena tsirairay sy ny sarambabem-bahoaka nanana ny fiarovan-tenany araky ny eritreriny tany aminy tsiray avy ka zary mihena ny taha amin’ny tranga vaovao ankehitriny? Na izany aza anefa, efa maherin’ny arivo no lavo tamin’ity valanaretina ity, ary mavesatra be izany fa tsy tokony ho tsinontsinoavina na odian-tsy hita. Sarotra ho an’ny malagasy ary mavesatra aminy ny ilaozan-kavan-tsy foy.
Miditra sahady amin’ny volonandrom-pifidianana isika ankehitriny, na dia mbola amin’ny taona 2023 aza no hanatanterahana izany. Efa mandeha ireo paipaik’ady sy teti-panorona amin’izany ary ny fitondrana no mitarika izany raha ny zavatra hita. Nanao fanamarihana sy tsikera ny sokajin’olona sy vondrona samihafa na ara-politika na tsia, ary hatramin’ny fiarahamonim-pirenena momba ny amin’ny ahiahy maro samihafa amin’ny fanomanana ny fifidianana, izay miainga amin’ny lisi-pifidianana izany. Efa nilaza ny maro amin’ireo, fa mila averina manontolo tanteraka ny fanaovana ny lisitra na « refonte » izany, izay araka ny lalàna izany. Toa tsy hita be ihany anefa ny hevitry ny avy eo anivon’ny Ceni momba izany, izay izy ireo no tomponandraikitra amin’izany.
Hatreto tsy mbola re ny fanapahan-keviny momba izany na ataony na tsia. Ny ahiahin’ny maro anefa, dia mety hiverina ny « doublon », sy ny tsy fahatomombanana samihafa toy ny nitranga tamin’ireo fifidianana rehetra teo aloha hatramin’ny niakaran-dRajoelina teo amin’ny fitondrana. Manahy ny maro ny amin’ny mety hisiana korontana noho izany tsy fikarakarana tsara sy amin’ny marina ara-dalàna ny fifidianana izany. Dia ho tara fandraisana fepetra toy iretsy tranga teo aloha rehetra ihany indray koa ve ny fitondrana?
Izao fitondrana Rajoelina izao aloha dia iaraha-mahalala tsara, fa araka ny fomba fitenenana hoe: « rovitra omby tondro tsy miraika, fa efa omby loha vao mikoropaka ». Tranga maro teto amin’ny firenena no nahitana izany toe-javatra izany ary manamarina io fitenenana io. Ny olana sy manahirana anefa dia ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany fa tsy izy ireo mpandray fanapahan-kevitra.