Foto-drafitrasa mbola tsy tokony hotokanana – Afa-baraka Rajoelina tany Menabe ny faran’ny herinandro teo

Rajepa

Afa-baraka, izay no azo ilazana ny filoha Rajoelina taty amin’ny faritra Menabe ny faran’ny herinandro teo, foto-drafitrasa mbola tsy tokony- hotokanana no notokanana ary zara raha nisy mpanatrika izany.

Ankoatr’izany, nararaotin’ny filoha Rajoelina nanaovana fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana, na pré-campagne ny fanasan’ny Diosezin’ny Morondava azy. Isan’ireo nasain’ny Diosezin’i Morondava niatrika ny fitokanana ny Co-Cathédrale tao Miandrivazo ny filoha Andry Rajoelina nararaotiny izany, mba hanaovana pré-campagne satria araka ny loharanom-baovao azo, dia tsy manana olona to teny sy mahatarika olona ny TGV/MAPAR ato Menabe, ka niezaka nitokona ireo fotodrafitr’asa izay mbola tsy tokony hotokanana izy, satria misy ireo izay mbola tsy vita tanteraka: toy ny jiro mandeha amin’ny tanjaky ny masoandro, ao koa ireo foto-drafitrasa izay mbola tsy vita ny vola, dia dedaka izy ny haka ny fon’ny vahoaka nefa dia teo no noraisina, zara raha nisy mpanotrona tamin’ireo fitokanana, ka rehefa tsapany izany dia nampanantsoina ilay kopie kole-any hanampy ireo mpanankanto, izay hisintonan’olona hanotrona azy tao amin’ny kianja Beach Avaradrova.  Izany no midika fa fitantanana resa-jaza maroroka ny fitantanan’ny fitondrana Rajoelina.

Fehin’ny kabariny dia fampielezan-kevitra no nataony sy ilay kopie kole-any, tsy vitan’izay fa mbola fandaniam-bolampanjakana ihany koa no nataony satria dia sady nitondra fiaramanidina izy ireo no nitondra angidim-by ihany koa raha tokony handeha angidimby fotsiny ho any Miandrivazo, namonjy ny fitokanana Co-Cathédrale. Tranga hita ihany koa nandritra ny fandalovan’ny filoha Andry Rajoelina tao Morondava ny fisavana mialoha ireo Banderole izay nentin’ireo fikambanana vitsivitsy nanotrona ny fitokanana ny hôpitaly, izany no midika fa sady tsy mahatoky tena intsony ity fitondrana ity, no manao jadona: manakana ny fanehoan-kevitra izay ataon’ny vahoaka.