Andry Tsiavalona
50 taona lasa no nihetsika ny mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, nitaky ny fanagasiana sy ny fampitovian-jo ny mpianatra malagasy sy vahiny, nandranto fianarana teto Madagasikara. Ho an’ny olompirenena efa naharaka ny toe-draharaham-pirenena tamin’izany fotoana izany dia nihevitra fa tsy ny fampiasana ny teny malagasy nentina nampianatra sy nampiasaina ny voambolana malagasy teo amin’ny fandrafetana ny bokin’ny taranja rehetra ihay no anisan’ny notakiana.
Iaraha-mahatadidy fa boky nampianarana sy programa tany Frantsa no narahina nandritra ny Repoblika I. Vazaha teratany frantsay no maro tamin’ny mpampianatra sy ireo tomponandraikitra tany amin’ireo sekoly niankina tamin’ny fanjakana ambaratonga faharoa sy teny amin’ny Oniversite. Taorian’iny tolona tamin’ny 1972 dia nantsoin’ny fitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel niverina an-tanindrazana ireo mpianatra malagasy nianatra tany ivelany, nisolo toerana ireo mpampianatra vazaha. Niteraka olana ihany ny fanagasiana ny voambolana teo amin’ny mpianatra indrindra indrindra. Maimaimpoana ny fitsaboana teny amin’ireo hopitalim-panjakana rehetra ary tsy nanavakavaka ny mpitsabo, ka tamin’ny fo feno fitiavana sy fanetren-tena no nandraisan’izy ireny ny marary.
Teo amin’ny sehatra politika dia ny fitondrana frantsay no nibaiko teo amin’ny politikam-pitantanana ny firenena ary nisy ireo ministra teratany farantsay tao amin’ny governemanta. Tsy vitsy koa ny mpanolotsaina teknika frantsay tany amin’ny minisitera isan-tokony. Tsy maintsy nosoloina izy ireny ary nanendry teratany malagasy nandray ny toerany tamin’ny governemanta Ramanantsoa kanefa, hita taratra tamin’izany sahady ny disadisa ara-politika teo amin’ny samy ministra ka azo ninoana fa nitarika ny fametraham-pialàn’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel teo amin’ny fitondrana ny Firenena.
Teo amin’ny sehatry ny toekarena dia nanjakazaka tokoa ireo kaompania frantsay (Marseillaise, Lyonnaise,…) satria saika azy ireny daholo ny tany midadasika ary Malagasy no nampiasainy tamin’ny fameloma-maso izany. Nalain’ny fanjakana avokoa ireny tany ireny, ka nozaraina tamin’ny Malagasy ary toy izany koa ny orinasa nitantanana ny famokarana jiro sy rano (Electricité et Eau de Madagascar) ary ny nisahana ny fitaterana (Chemin de Fer de Madagascar). Raha nahafehy tsara ny fitantanana ireny orinasa nagasiana ireny ny mpitondra taorian’ny tolona 1972 dia ho nandroso tokoa ity Firenena ity. Niarahan’ny taranaka Malagasy niaina tamin’ny Repoblika I mantsy fa tena tsy nanana olana izy ireny, fa ampy ary nanan’amby aza ny vola azony teo amin’ny asam-pivelomana nataony, na ny mpiasam-panjakana, na ny mpiasa tany amin’ny orinasa tsy miankina, na ny mpiasa tena. Nifanindry an-dàlana tamin’ireo ny tokony nanomezana vahana ny malagasy teo amin’ny sehatry ny toekarena. Fiainam-bahoaka. Tsy nanana olana teo amin’ny vidim-piainana ny vahoaka Malagasy tamin’izany fotoana izany kanefa hita fa tsy mbola tao amin’ny olompirenena sasany izany fitiavan-tanindrazana izany ka folo taona taorian’ny 1972 dia nibahana tao amin’ny politisiana gasy sahady ny fitiavantena ka nanomboka nirorona ny fiainam-pirenena teo amin’ny sehatra rehetra.
50 taona aty aoriana dia tsy hita taratra intsony ny fanagasiana nandrandraina tamin’ny 1972, ka miverina amin’ny programam-pampianarana amin’ny fiteny frantsay ny eto amin’ny Firenena ary tsizarizary sy mitotongana ny fahaizan’ny ankizy ary mihoatry ny antsasamanilan’ny ankizy no tsy tafiditra an-tsekoly intsony. Atsangana ny sekoly lazaina fa manara-penitra kanefa tsy mampiova ny toe-javatra iainan’ny mpianatra na ny mpampianatra eo amin’ny fitaovana izany. Zarazarain’ny politika ny eny amin’ny Anjerimanontolo, na ny mpampianatra na ny mpianatra na ny mpandraharaha, ka tsy misy intsony ny firaisan-kina. Aorina ny hopitaly manara-penitra kanefa dia tsy misy fitaovana mifandraika amin’izany. Lazaina fa maimaimpoana ny fitsaboana kanefa dia mijaly ny tsy manam-bola fa miverim-potsiny raha mba mandeha eny amin’ireny hopitaly ireny. Eo amin’ny sehatry ny toekarena indray dia ny vahiny no manjaka ary izy ireo no tompon’ny ankamaroan’ny orinasa ka mitsipozipozy ny an’ny malagasy ary mbola takian’ny mpitondra hetra mihoa-pampana ihany. Bodoin’ny vahiny koa ny tany hitany fa azo anorenana na mamokatra, ka mihanahana fotsiny sisa ny teratany Malagasy satria tsy mahazo rariny na mitory aza. Lasan’ny mpanambola na vahiny na teratany Malagasy ny orinasam-panjakana na ny tanim-panjakana. Firenena farany mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara 50 taona aty aorian’ny “fanagasiana” notakian’ny avara-pianarana tamin’izany fotoana izany. Tsy “avara-pianarana” fotsiny anefa ny manodidina ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao fa “atidoha” (cerveaux) daholo.