DISODISOKELY INDRAY

Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina?
Tsy indroa na hoe intelo f’efa tena tsy hay isaina.
Ny asa marika mihitsy ve no tsy dia manavanana?
Dia ahoana ny ho fiantraikany amin’ny fomba fitantanana?

Folo injato dia lazaina f’efa miakatra ho iray hetsy.
(Tafahoatra ny hadisoana, mampiafina lehiretsy!)
Moa ny teny izay nambara, tsy mba nisy fanomanana?
Aza gaga raha mivaona hatramin’ny fomba fitantanana!

Disodisokely indray ve ny filohanay hajaina?
Tsy manitsy, tsy manoro koa ireo mpanolotsaina?
Sa mitazantazam-potsiny sy toa faly hanindrahindra,
Fa hoe “ny fisolelahana”, io no lehibe indrindra?

…Be dia be ny antontan’isa tena hita fa tsy marina.
Tena hita ho notefena sy niniana namboamboarina.
Saingy avy any ambony moa ka dia mazàna no leferina,
Na dia hita f’efa tena hadisoa-miverimberina!

TSIMIMALO (10-05-22)