EDITO 19 Mey – Tsy araka ny tokony ho izy ny volana mey tamin’ito

Sôh’son

Manao politikan’ny akoholahy fataka ny fitondrana ao anatin’izao volana mey izao. Volana izay fotoana eto amin’ity firenena ity manamarika ny fisehon’ny hafanam-pon’ny vahoaka Malagasy, momba ny fahitany ny raharaham-pirenena. Tsy izany loatra anefa no miseho tamin’ity volana ity, ary zary nangingina aza ny sarambabem-bahoaka amin’ny ankapobeny, fa ny mpitondra fanjakana indray no manao ny ataony. Mifanohitra mihitsy amin’ny fomba fisainan-dRamalagasy izany.

Anisan’izany, ohatra, ny nitranga vao tsy ela tany amin’ny faritr’Itasy, izay polisy, ny lehiben’ny distrika, sy ny namany no nandrangaranga ny mifanohitra amin’ny hetahetam-bahoaka. Ara-tantara, raha ny volana mey tao anaty fanjanahantany tanteraka, ny 19 mey 1929, no nitarihan-dry Ralaimongo sy ny namany ny vahoaka Malagasy niainga avy eo Andohan’Analakely namakivaky ny araben’ny fahaleovantena sy niantsoantso “fahafahana sy fahaleovantena” voalohany ary tontosa izany, nahoana no tsy afa-manao izany ny vahoaka ankehitriny? Fa iza ireto mpitondra firenena ankehitriny ireto? Moa ho mpangeja lavitra noho ny mpanjanatany tamin’izany fotoana izany ve ?

Misy toe-javatra tsy milamina tanteraka eto amin’ity firenena ity ankehitriny, izay manao ny vahoaka Malagasy ho azo entina amin’ny tsy fomba fitondrana vahoaka mendrika hisitraka sy hiaina malalaka, sy higoka ny tombontsoa sy ny harena lova navelan’ny razany ho azy. Ny firarian-tsoa amin’ny hiram-pirenena, dia ny hoe “hiadana sy ho finaritra, dia ho sambatra tokoa…”. Fa lasa mifanohitra lavitra amin’izany anefa no iainan’ilay vahoaka Malagasy ankehitriny. Toa milalao tanana fotsiny, tsy misy hafitsoka, ary toa manaiky ny manjo mafy ilay vahoaka entiny ny mpitondra. Tsy mbola nandrenesam-peo mihitsy izao fitondrana hoe hanavotra ny vahoaka amin’ny geja samihafa rehetra. Vao mainka aza izy nanolo ny gejan’ny mpanajanatany, fa amin’ny endriny vaovao, amin’ny tsy fahafahana maneho hevitra amin-kalalahana eny an-kianja. Hatramin’ny fikambanan’ny mpanjifa avy aza no tsy mahazo maneho hevitra amin-kalalahana, nefa efa sempotry ny fidangan’ny vidim-piainana.

Lasa lavitra noho ny an’ny mpanjanatany izao fomba fitondrana izao, saingy malagasy fotsiny no mitondra eto, hoy ny olom-pirenena. Izay manohitra potehina amin’ny fomba samihafa, izay mety miafara amin’ny fanagadrana; aiza ka hatramin’ny mpianatra avy no ampiakarina fitsarana ary misy aza ny nogadraina. Tsy misy mahazo maneho hevitra ankalamanjana tato anatin’izao fitondrana izao. Miharihary araka izany, fa tsy tany demôkratika intsony i Madagasikara, fa resabe fotsiny ny ankoatra izay. Ny fifidianana efa alamindamina any ambadika any, toy ny fanaon’ireo firenena entin’ny mpitondra mpanao didy jadona. Ho very ve ity firenena ity sy ny vahoaka eo aminy? Ny vahiny aza no efa manomboka manjakazaka eo amin’ny taniny hatrany amin’ny faharian-karena ka hatrany amin’ny fitantanana politika. Misy teratany Malagasy manome vahana azy no mahatonga izany.