Ny Valosoa
Niaka-pofona Ingahy Filoha Rajoelina tamin’ny fanokafana ny fikaonandoha momba ny fananantany, notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, satria tapaka ny rianaratra, tsy tahotra tsy henatra Ingahy Filoha niantso an’Ingahy Minisitry ny Angôvo handrehitra ny jiro, satria hono ny fanamafisampeo mandeha kanefa ny jiro tsy mirehitra. Ny tena marina anefa dia samihafa ny nampandeha ny jiro sy ny fanamafisam-peo, vitan’Ingahy Filoha mihitsy ny namoaka vava hoe: “sa iandrasana ny Filohan’ny Repoblika koa ny mampiakatra ny disjoncteur”.
Ny zava-nitranga teny Ivato dia nampibaribary ny fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina, aiza ve ka filohampirenena no hiatrika lanonana goavana dia tsy vitan’ireo mpiara-miasa aminy ny miomana amin’izay tsy fahalavorariana mety ho tonga tampoka, efa maizina ny trano vao samy tonga saina, ny vahoaka dia efa mandavantaona no efa niaina ny fahatapahan’ny rianaratra, f’Ingahy Filoha sambany vao tratra, mazava izany fa tsy nisy dikany ny nidinan’Ingahy Filoha nijery ny zava-nitranga tany Andekaleka, ka nampiaka-peo azy hoe misy ny manao sabotazy ary omena tambiny izay mahafantatra ireo mpisompatra, hatramin’izao tsy hita izay tompon’andraikitra ary ny delestazy mbola tsy foana, fa tokony ho saziana ihany koa ireo tompon’andraikitra nisahana ny jiro teny amin’ny CCI Ivato.
Tsy afaka ny hikabary ao anatin’ny haizina hono Ingahy Filoha, kanefa iza no tsy mahalala fa betsaka ny raharaha maizimaizina afenimpenina ny vahoaka eto amintsika, ny tsy fihaonan’Ingahy Filoha amin’ny mpanao gazety eny Ivato isaky ny miainga sy tonga avy any ivelany dia efa porofo mitohoka amin’ny tendany, fa betsaka ny maizimaizina, ny fanaovantsonia momba ny Tanamasoandro farany teo aza tsy navela natrehan’ny mpanao gazety. Dia mbola nidedaka indray Ingahy nilaza, fa izy hatrany hono no andrasana hanao ny zava-drehetra, ny tena marina anefa dia izy mihitsy no misisika hanao ny asa tokony sahanin’ny hafa, tia miseho vahoaka loatra Ingahy Filoha, hany ka tsy tantiny mihitsy raha misy ireo mpiara-miasa aminy mahazo sitraka amin’ny vahoaka. Tsy mahagaga raha tokanany avokoa hatramin’izay tsy tokony ho tokanan’ny filoha, toy ny fampiadiana akoholahy, lalana rarivato 200 metatra, toerana famonoana akoho, takonana avokoa na Praiminisitra na minisitra na solombavambahoaka na ben’ny tanàna fa tsy maintsy izy hatrany no rôla, ho avy koa ny hitokanany fitonoana akoho.
Fa mikasika ny fikaonandoha momba ny fananantany dia manantena ny vahoaka Malagasy fa hoesorina amin’ireo teratany vahiny avokoa, ireo velaran-tany bodoiny ary hatolotr’Ingahy Filoha ho sitrahan’ny malagasy amin’izay mialohan’ny 26 Jona 2022, ary momba ireo Nosy Malagasy bodoin’ny frantsay, azo antoka fa haverin’Ingahy Filoha amintsika Malagasy amin’izay, satria mbola tafiditra ao anatin’ny resaka fananantany koa izany, ho antsika malagasy ny tafaverina no zavadehibe na tara roa taona amin’ny nampanantenaina aza. Fa raha tsy nodinihina tao ny momba izany dia fandaniam-potoana tsy amin’ny antony ny natao teny Ivato.