Helisoa
Vao mainka miha-lalina hatrany ny fahoriana mahazo ny vahoaka Malagasy, tsy hita intsony izay ho sarangotina. Isak’izay miresaka amin’ny olona dia tsy misy afa-tsy ny fitantarana ny fahoriana mahazo hatrany hoe “mbola tsy nisy toy ny tamin’ity fitondràna ity hatramin’izay nipotsiran’ny voamaso. Ny mpiasa tena mikaikaika satria tsy mandeha ny asa, nefa mandoa hofantrano, mampianatra zanaka, mitsabo rehefa tonga ny aretina sns… nefa tsy maharaka izany rehetra izany ny volana miditra.
Toa kivy tsy manana fanantenana intsony fa dia manamboatra saina hoe “afaka ho aiza e?” Ny mpiasa mandray isam-bolana indray dia tsy mahatody ny fandraisam-bola manaraka ny eo an-tanana fa herinandro raha misy dia tsy manana atokona intsony, fa tsy maintsy mitrosa, mba hisakafoanan’ny fianakaviana. Etsy andaniny anefa dia misy ireo manankarena mihoa-pampana ny manana andraikitra eo amin’ny fitondràna. Hany ka tsy hitany intsony, na tontolo hafa no iainany, ka tsy mahatsapa ny fahoriana mahazo ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy, izay mitrongy vao homana. Milaza ireny olona ireny fa miasa ary mijery ny mahasoa ny vahoaka Malagasy ireo mpitondra ankehitriny.
Ny fantatra anefa ary efa tsy miafina ao ambadiky ny resaka diplaomasia intsony fa tena miteny mivantana ny mpitondra fanjakàna, ny mpamatsy vola an’i Madagasikara raha nanolotra vola fanampiana ho antsika, fa tsy mitsinjo ny Malagasy ny mpitondra, teo imason-dRajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy no nilazany izany. Ohatra noraisiny tamin’izany ny fanambaràna, fa ny vahoaka mahantra indray no mandoa vola be ividianana rano eto Madagasikar . Faly mandray vola fotsiny ny mpitondra, fa tsy hainy izay laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy.
Mahita ny Malagasy mipetraka sy tsy mahasahy mihetsika aloha hatreto ireo mpitondra dia manararaotra, fa tadidio anefa fa mety ho indray mipi-maso dia tsy ho zakan’ny mpitondra amin’izao ny fitroatran’ny vahoaka. Misy farany ny zava-drehetra, ary misy farany koa ny fandeferam-bahoaka izay, tsy tana io rehefa tonga ny tokoa.