Andry Tsiavalona
Nitalakotrokotroka sy namirapiratra ary nanadinoina ny fahoriana tokoa ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona tamin’ity taona ity. Natomboka tamin’ny hiram-piderana ny Alahady lasa teo izany, ka tsy nijanona tamin’izay fa niampy tsodrano sy « faminaniana » nomen’ny mpanakanto ara-pilazantsara iray an-dRajoelina Andry. Andriamanitra hono no nametraka ity filohan’ny Repoblika ity eo amin’izany toerana izany, samy manana ny fijeriny amin’ity toe-javatra ity satria ny mpanjakan’ny zanak’Israely voalohany dia tsy nankasitrahan’ Andriamanitra kanefa nisisika ireto mpihodina ireto, ka nampitondrain’ilay mpanjaka faisana. Efa nampitandreman’Andriamanitra ny zanak’Israely fa hijaly raha mihodina Aminy kanefa tsy niraharaha izany ireto vahoaka maditra ireto.
Izany fotoam-pivavahana izany dia tsy maintsy mifarana amin’ny fisaorana an’Andriamanitra ary Antsam-piderana no natao tao Mahamasina kanefa dia dihy manara-penitra no hita tao ary na ny « olom-boahositra » aza dia nirona nanaraka izany. Ny mifanohitra amin’izany kosa ny teny Analamahitsy notarihan’ny Fivondronan’ny FiangonanaKristiana eto Madagasikara (FFKM) satria tsy nisy nanao faminaniana na nitsodrano olona, fa nivavaka ho an’ny Firenena tokoa, mba hivoaka amin’izao loza maro iainany izao. Tsy nisy raiamandreny ara-pivavahana nitsodrano na iza na iza na nanao faminaniana teny Analamahitsy, satria tsy misy mpaminany ka hanao izany sahady herintaona mahery kely mialohan’ny fifidianana ary tsy misy mahafantatra izay haloaky ny ampitso.
Nanomboka tamin’io alahady io ihany koa ny fanomanana ny fiatrehana ny 26 jona, ka novaina avokoa ny làlana nizoran’ny fiara nandalo tao Mahamasina, izay nampimenomenona ny mpampiasa fiara izany toe-javatra izany. Raha ny nahatsapana azy dia hadino izany rehefa tonga ny andro mialohan’ny fety, satria efa tsinjon’ny mponina teto Antananarivo fa halaza ny hetsika rehetra manodidina izany. Ny 25 jona tolakandro dia efa namonjy ny tanàna ambony ny vahoaka satria eny no mahatazana tsara ny eo Anosy, izay nanapoahana ny afomanga. Tsy vitsy koa ny nitanjozotra nankeny Anosy toy ny isan-taona ary iaraha-mahalala fa mahasarika olona maro ny afomanga ary tsy mahagaga izany, satria in-dray mandeha isan-taona ihany no misy izany. Tsy teny Anosy ihany no tomefy olona fa teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ihany koa ary mazava ho azy, fa tsy afaka misaraka ny fety sy ny zava-pisotro misy alikaola. Tsy mbola nisy toy izany koa ny olona nitanjozotra sy nifanisika nankeny amin’ny Kianjan’i Mahamasina nijery ny matson’ny foloalindahy ny 26 Jona maraina.
Nangorom-potsy araka ny fitenenana ny teo Mahamasina ary nifanohitra amin’ny zavatra iainan’ny Malagasy ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, izay nilaza fa « tandroka aron’ny vozona » ny foloalindahy satria ny dikan’io dia « miaro ny vahoaka sy fananany » ny foloalindahy. Tsy izay ny zava-misy satria tsy mbola nisy toy izao tsy fandriampahalemana izao teto amin’ity Nosy ity nandritra ny 62 taona, ka mandry tsy lavo loha ny mponina, tsy any ambanivolo ihany, fa ety an-tanàn-dehibe ihany koa. Namirapiratra sy naresaka tokoa ny tanàna raha ny teto an-drenivohitra no resahina ary samy niezaka nanadino ny fahasahiranana iainany isan’andro ny mponina. Toa nihavana daholo ny « mpifahavalo » ara-politika ka maro tamin’ireo nasaina no tonga nanatrika ny matso tetsy Mahamasina, satria mariky ny fifanajana hono izany, ary fetin’ny foloalindahy no natrehina fa tsy misy idiran’ny resaka politika. Misy milaza koa fa mariky ny fiandrianam-pirenena ny foloalindahy kanefa tena manana izany fiandrianany izany tokoa ve ity Firenena ity satria miankin-doha amin’ny any ivelany tanteraka ny fampihodinana ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra.
Vita ny fety ka tsy maintsy hiatrika ny fiainana andavanandro amin’izay ny vahoaka Malagasy. Etsy andaniny dia hanomboka hono ny Làlam-pirenena faha-13, hiainga ny fananganana ny “fly over” sy ny “Tanamasoandro”, efa nisy ny tsara vintana ka nahazo ny “tranomora” eny Imerintsiatosika… Etsy andaniny kosa dia tsy maintsy hatrehina ny vidin-tsolika hiakatra sy izay haterak’izany. Mbola hitohy ny fanjavonan’ny harem-pirenena sy ny fanenjehana sy ny fanagadran’ny mpitondra ireo tsy mitovy hevitra aminy. Azo antoka fa tsy hifarana eo akory ny fitotongan’ny fiainan’ny Malagasy ka hifarana tamin’ny fety iny ny fahoriana.