Andry Tsiavalona
Miverina amin’ny andavanandrony indray ny mponina eto amin’ny Firenena taorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Raha ny eto an-drenivohitra no jerena dia tsapa fa ny harivan’ny andro manaraka ny fety ihany dia nangina ny tanàna raha vao harivariva fotsiny. Tsy fantatra intsony na tahotry ny tsy fandriampahalemana na maika namonjy fodiana ny mponina, satria reraky ny fety, ka ilaina ny fialan-tsasatra. Mety ho lany vola ihany koa ka tsy nisy nentina nandoavana saran-dàlan’ny fitaterana dia nody aloha avy any amin’ny toeram-piasana. Ny mpivarotra teny an-tsisin-dàlana dia vitsivitsy sisa no hita mbola namelatra ny entam-barotra nanantena mpividy sitrany bebe ny vola miditra satria vitsy ny mpifaninana.
Eo amin’ny sehatra fitantanana ny Firenena dia niverina nivory ny Antenimiera roa tonta, ka ny teny amin’ny Antemierampirenena dia nisafotofoto ny fandaharam-potoana. Tsy resahina ny nandaniana ny Làlan’ny Tetibola nasian-panitsiana (LFR) satria araka ny nahazatra dia toy ny fanaon’izao fitondraana izao ny fomba nandaniana azy, lany tsy dia nisy ady hevitra loatra. Ny fihaonana tamin’ny fahefana mpanatanteraka kosa dia nafindra teny amin’ny CCI Ivato indray izany, fa tsy teny amin’ny Lapa eny Tsimbazaza. Ny antony moa dia tsy nazava tamin’ny depiote sasany, na noho ny tahotra ny valanaretina covid-19 izay nirongatra indray tatoato, na ny mpanatanteraka mihitsy no mibaiko sy manam-pahefana ambony kokoa noho ny mpanao lalàna. Araka izany dia tsy ara-potoana hatrany ny fanombohan’ny fivoriana izay mampimenomenona ny solombambahoaka matomatotra amin’izany fanajana fotoana izany. Eo amin’ity fihaonana ity ihany dia nanao tatitry ny zavabitan’ny governemanta ny Praiminisitra. Tsy dia mazava loatra ny momba ilay vola hanamboarana ny làlam-pirenena faha-13 Ihosy-Ambovombe, izay nolazain’ny minisitry ny Asavaventy fa avy amin’ny “Ressource Propre Interne” (RPI) no hanaovana azy. Tsy voasoratra ao anaty Tetibolam-panjakana anefa izany amin’ity taona ity.
Mitohy koa ny fifampiraharahana amin’ireo mpamatsy solika eto an-toerana momba ny fampiakarana ny vidiny ary tsy vitan’ny eto an-toerana ihany ny fampiraharaharana fa miitatra hatrany amin’ny any ivelany. Eo amin’ity sehatra ity ihany dia miziriziry ny mpitatitra fa tsy maintsy hampiakatra ny saran-dàlana ho arivo ariary raha vao miakatra ny vidin’ny solika. Zato isan-jato ny fisondrotry ny saran-dàlana, ka tsy misy dikany izany ny fisondrotan’ny karama 5-13-25 isanjato satria tsy maintsy hisondrotra ihany koa ny vidin’ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro (PPN), izay efa mampifarirotra ny vahoaka. Hiampy dimy hetsy indray ireo mponina iray tapitrisa mahantra any Atsimo amin’ izao fotoana izao. Tsy hijanona eo ny toe-javatra satria mampiasa “générateurs” ny Jirama eo amin’ny famokarana angôvo, ka tsy misy afaka handà fa tsy hisondrotra ihany koa ny jiro sy ny rano afaka fotoana fohy. Na tsy mbola tonga amin’izany aza dia miverina sahady ny delestazy ary nisy Faritra na Distrika aza tsy mba namirapiratra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena.
Etsy ankilany dia mitohy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ka tratra teny Ivato indray ny teratany vahiny saika hamoaka volamena sy safira kanefa ireo tratra teo aloha tsy mbola fantatra ny rangory fototry ny afo satria mbola mitohy hono ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra. Tsy latsak’izany ny “magie” nitranga tao amin’ny “direction générale”-ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ka ny volamena 36 kilao tao anaty “coffre fort” nivadika ho vy isan-karazany 24 kilao. Ny mahavariana anefa dia ireo lazaina fa trondro madinika ihany no voarohirohy sy miditra am-ponja fa ny trondro vaventy dia miriaria sy migalabona amin’ny halatra nataony.
Mangatsiaka tsy misy toy izany ny andro amin’izao fotoana izao ary haharitra roa volana eo ho eo izany, araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetrandro, kanefa dia azo antoka fa miha-mafana kosa ny toe-draharaha ara-politika eto amin’ny firenena.