HIAKATRA NY VIDIN-TSOLIKA

Hiakatra ny vidin-tsolika, efa ela no naely,
F’inona no vahaolana hiatrehana an’izany?
Tsy mba manan-tetikady fa toa “aotra” ry boaikely.
Fari-piainan’ny vahoaka anefa midina hatrany!

Sandam-bola Malagasy, mitotongana isam-bolana.
Mahamenatra ny ariary f’efa ambany dia ambany.
Ny mpitondra anefa indrisy tsy mahita vahaolana.
Tsy mba manan-politika ho fampiakarana an’izany!

Fanondranana any ivelany ireo vokatry ny tany,
Izay no mora sady tsotra, sady mila halalahana.
Saingy bizina maloton’ny mpitondra hatrany hatrany
Toy ny amin’ny lavanila no indreo mahazo vahana!

Hiakatra ny vidin-tsolika, saim-bahoaka no omanina,
Fa ireo mpitondra kosa zary toa mitazantazana.
Ireo mpanatanteraka aza dia mangina, mody fanina.
(Aminy dia ny hafa foana no anton’ny tsy fahombiazana!)

Hiakatra ny vidin-tsolika, tena mahavalalanina
Ny misaina ny ho fiantraikany amin’ny isam-baravarana.
Ny mpitondra irery angamba no hany sisa hihinan-kanina.
(Izay no tiany sy iriny sady ataony ho hasambarana?)

Marobe no tena kivy, efa any anaty no misaona,
F’efa haizina mikitroka no manenika ny lasy.
Tena tsisy toy izao nandritry ny enimpolo taona.
Izao ve ‘lay manara-penitra nandrobohana ny gasy?

DADAN’i ZINA (02-07-22)