Kaominina Sabotsy Namehana – Mahazaka tena amin’ny resaka fampandehanan-draharaha

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Sabotsy Namehana distrikan’Antananarivo Avaradrano, Andriamosa Avotriniaina ny gazety Ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sôsialin’ny mponina ao amin’ity kaominina ity. Dinidinika :

Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : efa « mandat 4 » no vitanao tamin’ity kaominina Sabotsy Namehana ity, inona no heverinao fa mbola tsy vita ho fampandrosoana ny toekarena sy ny sôsialin’ny mponina ?
Andriamosa Avotriniaina (AA) : Sabotsy Namehana dia azo heverina ho anisan’ny renivohitry ny distrikan’Avaradrano, na mbola kaominina ambanivohitra première categorie aza, miaraka amin’ireo kaominina 16 ato Avaradrano. Mandroso ny tanàna amin’izao fotoana : manaporofo izany ny fahatongavan’ny mpamatsy vola, ny fitomboan’ny isan’ny mponina sy ny fiitaran’ny tanàna, ny fisian’ireo foto-drafitrasa maro voatsangana. Ny anisan’ny anton’izany, navitrika sy mavitrika mandoa hetra ny vahoaka ary isaorana azy ireo izany. Ary ny hetra efainy dia miverina amin’ny vahoaka ihany, nanaovan’ny kaominina asa sôsialy miantraika amin’ny vahoaka, asa sôsialy mitsinjo ireo vahoaka. Na izany aza, misy ny tsy vita, toy ny fanaovana ny lalan-tany ho rarivato, ny fampirehetana ny jiro amin’ny mbola tsy misy izany, iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fampitomboana ny fanomezana rano fisotro madio ny mponina.

GNVV : nanao ahoana tokoa ny ezaka nataon’ny kaominina teo amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana, teo amin’ny resaka fahadiovana sy fidiovana ?
AA : mandroso ny fanabeazana ato Sabotsy Namehana, be ny foto-drafitrasa vita, ankoatra izany efa misy hatramin’ny Oniversite tsy miankina ato anivon’ny kaominina, eo koa ireo toeram-pianarana miankina amin’ny fanjakana maro. Eo amin’ny lafiny fahasalamana : misy CSB II Sabotsy Namehana, manana ambulance, na fiarakodia fitondrana marary. Eo amin’ny sehatry ny fahadiovana sy ny fidiovana, maro ireo paompin-drano naorina, ireo toeram-pivoahana namboarin’ny kaominina. Ny kaominina ihany no mitantana ny fakony, na tsy misy aza ny “redevance” alaina amin’ny fako any an-tokantrano ireny, manana kamiao miisa 2 mpaka fako ny kaominina, manana baka fanariam-pako iombonana miisa 11 ao anatin’ireo fokontany miisa 17. Misy ihany koa ny toerana fanatobiana ireo fako, fiaraha-miasa amin’ny kaominina rahavavy. Ankoatra izany, mijery ny tanora izahay amin’ny resaka fanatanjahantena samy hafa : eo amin’ny resaka rugby, ny baolina kitra lahy sy vavy, ny basket-ball, ny haiady.

GNVV : efa niresaka fampidiran-ketra ihany ianao teo, manao izay ato anivon’ny kaominina Sabotsy Namehana ?
AA : nisy fiantraikany tamin’ny fampidiran-ketra izay, ny valanaretina coronavirus tamin’ny taona 2020, efa miakatra anefa izany amin’izao fotoana, noho ny fanentanana teo amin’ny fanaovam-baksiny ihany koa. Eo amin’ny resaka fampandehanan-draharaha na fonctionnement noho izany amin’izao fotoana, azo lazaina ho efa mahazaka tena ny kaominina. Izany dia noho ny fangaraharan’ny fitantanana ara-bola. Tsiahivina, nisy fiaraha-miasa tamina fiarahamonim-pirenena, sy ny MSI Tatao ary ny FAI2M, nahazo laharana faha-2 ny kaominina Sabotsy Namehana tamin’izany, teo amin’ny fangaraharan’ny fitantanana, fifaninanana nisy teo amin’ny kaominina miisa 40 tamin’ny distrika 10 ary faritra miisa 4 teto amin’ny Nosy. Raha ny resaka fampidiran-ketra izay, efa mahatratra 40% amin’izao fotoana ny tahan’ny hetra miditra na volana jona aza izao. Tamin’ny taona 2021 nahatratra 62% izany, heverina fa hihoatra be noho izany amin’ity taona ity. Na nanambara aza ny fanjakana, fa ao aorian’ny 30 jona amin’ny taona vao takiana ny hetra tambatra.