Andry Tsiavalona
Raha olompirenena mahatsiaro tena ho tia an’ity Tanindrazana iombonana ity dia tsy misy tsy mahatadidy, fa anisan’ny noresahan’i dRajoelina Andry ny mponina teto an-drenivohitra ny nilazany ombieny ombieny fa nanao ampihimamba sy nampifangaro ny fitantanana ny Firenena sy ny fitantanana orinasany ny Filoha Ravalomanana Marc. Voafitaka ny olom-bitsy ka rehefa notsofin-dRajoelina Andry rano dia nandroba ny orinasan-dRavalomanana Marc teny Ankorondrano sy Tanjombato ary tany amin’ny Faritra.
Tsy nionona tamin’izany ny mpandroba sy ny mpananarao-paty fa norobainy koa ny toeram-pivarotana sy ny fampielezampeom-pirenena ary ny fahitalavim-pirenena ny 26 Janoary 2009. Araka ny fantatra dia tsy mbola nisy nahazo onitra voarakitra ao amin’ny Tondro Zotra norafetin’ny Vondrona Iraisam-pirenena nitantanana ny Tetezamita.
Tsy niafina tamin’ny tantsaha, mpamokatra vary tany Alaotra fa tsy ampihimamba velively no nataon-dRavalomanana Marc raha nanangom-bokatra tany izy tamin’izany fotoana, fa fiarovana ny tantsaha manoloana ireo mpijirika izay nanambaka azy ireo tamin’ny fividianana mora ny vokatra. Namitahan-dRajoelina Andry sy ny mpiaradia taminy koa ny fanaratsiana ny zava-bitan-dRavalomanana Marc, ka nampielezany fa « ny làlana tsy azo ohanina » ka potika tanteraka ny làlam-pirenena rehetra amin’izao fototoana izao. Odian-tsy tadidiana izany, ka mitohy ihany ny famitahan’ izao fitondrana izao ny mponina, ka misoloky sy misandoka amin’ny fametrahana « vato fototra » fanindroany ireo fanamboaran-dàlana efa nametrahan’ny mpitondra teo aloha « vato fehizoro », satria efa nahazoana famatsiam-bola.
Mazava ho azy fa latsa-panenenana ny ankamaroan’ireo nanao telimoka ireny fanaratsiana rehetra ireny satria mahita fa zara raha misy làlana vita rarivato aman-jato metatra no tokanan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina etsy sy eroa. Amin’izao fotoana izao dia mitady ny fomba rehetra hangoronan-karena ny ao an-dapa ao sy ireo mpisandoka ho akaiky ny filohan’ny Repoblika. Tsy hadino ny fanodikodinam-bola nataon’ny tomponandraikitra vitsivitsy ny vola fanampiana avy any amin’ireo Mpiara- miombon’antoka niatrehana ny valanaretina covid-19. Tsy mbola naheno ny malagasy, fa nisokatra ny fanadihadiana momba ity toe-javatra ity ary maizina tanteraka ny tohiny na dia efa nampidirina am-ponja aza ny namatsy ny « bonbons sucettes » ary tsy fantatra kosa ny momba ny « écrans plats ». Nesorina tamin’ny toerany fotsiny ireo tomponandraikitra voalohany ireo kanefa azo antoka kosa, fa tsy lany tanteraka ny vola nividianana ireo zavatra ka nivily làlana nankaiza.
Marina fa nisy ireo volamena naondrana na saika naondrana « antsokosoko » tratra na tany ivelany na teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato kanefa araka ny fantatra dia betsaka lavitra noho ireny no efa navoaka mangingina izay azo antoka kosa fa fantatry ny tandapa sy ny manodidina ny eo amin’ny fitondrana fara-tampony ny fisiany. Nolanian’ny tao amin’ny parlemanta ny tsy fahazoana manenjika ny ben’ny tanàna (immunité) sy ny governora na dia manao fahotana mahafaty aza izy ireo. Raha ny eto an-drenivohitra no asian-teny dia efa vita kajikajy manara-penitra ny nanesorana ny « Easy Park » teo amin’ny fitantanana ny fiantsonan’ny fiara satria orinasa ananan’ny ben’ny tanàna sy ny manodidina azy petrabola no nasolo izany. Fanangonan-karena na halatra nahazoan-dàlana (vol autorisé) izany satria tsy azon’ny ben’ny tanàna atao ny mindram-bola amin’ny anarany. Tadiavin’ny ben’ny tanàna omena orinasa tsy miankina indray ny fitantanana ny tsena eto an-drenivohitra. Matoa misy izany tetika izany dia azo inoana fa orinasa hananan’ny ben’ny tanàna petrabola indray izany oriansa izany, ka fomba iray hangoronan-karena manarapenitra izany. Torak’izany koa ny fampitahorana ny mpitatitra zotra 182 izay lazain’ny ben’ny tanàna, fa homeny kôperativa hafa ny “licence” rehefa tsy manaiky ny fandaminana ny eo am-perinasa.
Iaraha-mahafantatra fa misy ilay mpandraharaha, mpanefoefo, eo ankavanan-dRajoelina Andry, izay manao am-pihimamba ny sehatra rehetra manomboka amin’ny lavanila izany ka hatramin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Mbola tsy mazava aloha raha ity olona ity no ao ambadiky ny SPM fa ny azo antoka dia iarahan-koman’ny ao amin’ny fitondrana ny tombony azon’ity mpandraharaha ity amin’ny alàlan’ny sehatra rehetra idiran’ity mpanefoefo mampiasa olona efatra arivo ity.
Tsy afaka miala ny Praiminisitra, na inona na inona fanadiovan-tena sy fanilihana andraikitra amin’ny hafa momba ilay volamena milanja 36 kg, nisy nanao majika ka nivadika vy isan-karazany. Tsy misy tomponandraikitra ambony esorina amin’ny toerany ka tsy manao famindran’asa (passation de service) amin’ny antsipirihany momba izay zavatra misy ao amin’ny toeram-piasana, indrindra indrindra, raha misy zavatra sarobidy toy ny volamena voalaza etsy ambony. Mety misy ihany ny olona manao telimoka nolazain’ny Praiminisitra, ka voafitaka kanefa ny “adala no tsy ambakaina hono ny tahotra ny ao ambony” raha tsy efa tena manao an’Andriamanitra ho tsy misy mihitsy angaha izao fitondrana izao. Sady Praiministra i Ntsay Christian no ministry ny harena an-kibon’ny tany nandritra ny fotoana naharitraritra ihany, olona toy izany ve dia tsy hanao famindram-pahefana, tsy hahafantatra izay zava-tsarobidy ao amin’ny ministera misy azy, ary nanao famindra-pahefana tamin’ny ministra teo aloha Fidiniavo Ravokatra izy, izay lazain’ny gazety iray fa nangalatra ireo volamena, matoa tsy hit any volamena tao amin’ny coffre dia mety ho kobaka nisasahana teo amin’ny ministra Fidiniavo Ravokatra sy ny Praiministra Ntsay izany. Antenaina fa hanao fanadihadiana momba izao raharaha izao ny Bianco sy ny PAC.