Mpiasan’ny SECREN – Tena sahirana, 10 fanjava tsy nahazo ny karamany

Stefa

Tena sahirana sy very fanahy mbola velona ireo mpiasan’ny orinasa mpanamboatra sy mpikojakoja sambo, SECREN any Antsiranana faritra Diana amin’izao fotoana, efa 10 fanjava, na 10 volana izy ireo tsy nahazo ny karamany, hatramin’ity volana jolay 2022 ity. Ny Tale Jeneraly anefa hoy ireo mpiasa manao tanan’ila, ka ny akaiky na ny marikitra azy dia mahazo avara-patana toy ny fanonerana na ny remboursement ny frais medicaux: saram-pitsaboana. Ny farmasia ao anivon’ny orinasa hoy ihany ireto mpiasa ireto, na fanafody toy ny paracetamol aza tsy misy. Misy koa ireo mpiasa akaiky ny tale jeneraly mahazo fanonerana na remboursement facture ny Jirama ary ny tena loza hoy ireto mpiasa mitaraina ireto dia ny fandafosana vy (ferailles) ao amin’ny orinasa, izay nomen’ny Tale Jeneraly alalana ny fanaovana izany. Voahodinkodina koa ny vola avy tamin’ny OIT nampianarana tanora mania tao amin’ny orinasa SECREN. Mitaraina ny mpiasa ary mahatsiaro ho tsy misy mpiahy intsony.