Resaka fifidianana – Tsy nisy nandritra ny 60 taona – Ministry ny fanatanjahantena mamory sefo fokontany

Rajepa

Mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona izany minisitry ny fanatanjahantena mamory sefo fokontany izany, mikasika resaka fifidianana. Raha nanontaniana ireo sefompokontany dia valinteny tsotra ny valiny: resaka mikasika fifidianana no natao tao ary nisy sahady ny fizarana vola, saingy tsy nanome mari-bola kosa ireo sefompokontany nanontaniana. Tato ho ato, hita matetika ato Menabe ity minisitra Tinoka Roberto ity ary efa nanavao ny mpitarika ny Mapar ato Menabe, ka isan’ny nahagaga ny maro ny nametrahany ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena hitarika ny TGV ato Menabe, ahiana hoy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny hanaovana ny fanabeazana ato Menabe ho fitaovana politika. Miahiahy koa ireo talen-tsekoly sy sefo Zap, ny hisian’ny ramatahora raha tsy manaraka ny baiko politika ataon’ingahy talem-paritra.