Miharihary indray ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Ny zava-misy nanomboka omaly maraina dia maneho mazava tanteraka, ny tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao mitantana firenena. Nisavorovoro ny saim-bahoaka mandre ny don-tandroka nataon’ny mpitatitra amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Nisy ireo mpitatitra avy dia nampakatra avy hatrany ny saran-dalana ny omaly maraina. Tany amin’ireo mpandeha tsy nanampo n’inona n’inona hiainga avy any an-tranony, no nifaharan’ny mpitatitra hamenoana ny vidin’ny solika. Nisy araka izany tamin’ny toerana sasany nahitana mpandeha niverina nody mihitsy vokatr’izany. Saika tamin’ny làlana mandalo toerana mpaninjara solika ihany koa nanomboka omaly maraina dia nisy fitohanana, noho ireo fiara na madinika an’olon-tsotra, kodiaran-droa na môtô, indrindra ny fitateram-bahoaka na taxibe nitandahatra naka sy nameno ny fitehirizan-tsoliky ny fiarany.

Ankoatra izany rehetra izany, nisavorovoro sy niahiahy fatratra ny besinimaro ny amin’ny fiakarana hidangana amin’ny vidin-javatra fanjifa andavanandro, ny sakafo sy ny zavatra tsy maintsy ilaina samihafa eo amin’ny fiainana, sy hatrany amin’ny lafim-piainana rehetra. Mahakivy ny olom-pirenena sarambabem-bahoaka ny zava-misy iainana ankehitriny, fa ho fefika tanteraka ny fiainany ary vao mainka hihitsoka lalina hatrany izay efa tena mafy noho ny teo aloha ny fahantrany. Hibaribary manomboka izao, ny maha fadiranovana ny sarambabem-bahoaka Malagasy, izay tsy nahitan’izao fitondrana Rajoelina izao vahaolana fanatsarana, hatramin’ny nahateo amin’ny fitondrana azy izay.

Izao fitondrana izao dia tsy mahay mahatsapa tena ho diso mihitsy amin’ny fomba fitondrany diso lalana, fa manilika hatrany ny andraikitra amin’ny hafa, indrindra amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy sy ireo mpanohitra. Mazava loatra, fa mbola hiàla bala indray toy ny fanaony amin’izao zava-misy izao, toy ny tamin’ny valanaretina covid-19, sy ny rivodoza namely mafy nifanesy ireny izy ireo. Iaraha-mahita tsara anefa izao, fa tsy fahaizana mitondra firenena fotsiny tsotra izao, no mahatonga ny zava-misy mampahory ny vahoaka izao. Ny fositr’izany, ny fanaovana kajikajy politika fiarovan-seza sy tombontsoa manokana, no mibahana amin’izay asa atao rehetra hatramin’izay, ary dia izao no vokany: ny vahoaka no mibaby azy. Nataony nahita ny tsy fahitany tokoa ny Malagasy. Ny mahasorena, dia tsy miahotra hatrany ireo mpisolelaka: olom-boafidy sy olom-boatendry manohana an’i Andry Rajoelina sy mitsikera, no sady mankahala ny mpanohitra.

Raha tena mahatsiaro ho tomponandraikitra marina sy feno fahendrena ireny olona ireny dia ho nimpirimpirina tsy sahy misehoseho, na mieboebo amin’ny haino aman-jery toy ireny. Efa tsy mahomby ny fitondrana tohanana ary mampahory vahoaka ka mbola midehaka ihany. Moa lany henatra sy minia mikimpy amin’ny fiarahana migoka tombontsoa? Raha feno fahendrena aza izao fitondrana izao, dia midodododo mihazakazaka mibaboka amin’ny vahoaka sy mifona, fa tsy nahomby tamin’ny natao sy tsy nahay nisoroka ny olana ho avy, ka izao mijaly izao ny sarambabem-bahoaka. Efa tsy zaka intsony izy ity hoy ny maro, ka hipoaka tsy ho ela amin’izay angamba ny sarom-bilany.