Valanaretina covid-19 – Nanome fatrana vaksiny fanimpiny 1 hetsy mahery ny Amerikana

Niaina

Ady amin’ny valanaretina coronavirus, izay mbola mamely amin’izao fotoana, nanome fatrana vaksiny fanampiny miisa 1 hetsy mahery ho antsika ny Amerikana. Vaksiny fanampiny Pfizer mihoatra ny 100000, iadiana amin’ny Covid-19, no tonga teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny mekanisma COVAX ny faran’ny herinandro teo.

Vola avy amin’ny governemanta Amerikana no nividianana ireo vaksiny ireo ary tafiditra anatin’ny ezaka ataon’ny fitondran’ny Filoha Joe Biden, hampitomboana ny tahan’ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny Covid- 19 maneran-tany. Efa nihoatra ny 2 hetsy sy 2 tapitrisa (2200000), ny isan’ireo vaksiny nomen’i Etazonia ho an’ny vahoaka Malagasy hatramin’ny volana jolay 2021. “Mandrisika ny vahoaka Malagasy hanararaotra ny fisian’ireo vaksiny maimaimpoana, azo antoka sy mahomby ireo ny tenako,” hoy ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo. “Antoka amin’ny fandresena ity valanaretina ity sy ny fanarenana ny fiarahamonina ary ny fanomezana aina indray ny toe-karena ny fanaovam-baksiny faobe.” hoy hatrany izy.

Marihana fa noho ny tsy fahampian’ny fanentanana, fatrana vaksiny miisa 8 hetsy tany ho any, no simba fotsiny tsy nisy nampiasa teto amintsika. Ny vaksiny ihany anefa, no anisan’ny fomba mahomby indrindra iadiana amin’ity valanaretina coronavirus ity.