Tranga tsy fahita – Tovolahy voafonja manala bacc nanomboka omaly

Niaina

Tranga tsy fahita matetika no mitranga any Farafangana faritra Atsimo Atsinanana nanomboka omaly, eo amin’ny fanalana ny fanadinam-panjakana bakalôrea.

Tovolahy iray voafonja no miatrika izany fanadinam-panjakana izany any an-toerana. Mbola tsy meloka eo anatrehan’ny lalàna izy, raha ny angom-baovao satria mbola tsy voatsara, ka azony sitrahana tsara ny zony afaka miatrika fanadinana, fa saingy eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny mpiasan’ny fonja izy manao izany fanadinana izany hatramin’ny alakamisy ho avy izao.

Mirary fahombiazana ho azy ny gazety Ny Valosoa Vaovao ary mirary fahombiazana ihany koa ho an’ireo rehetra miatrika ity fanadinam-panjakana ity.