Beharo
Tato ho ato dia tsikaritra fa rehefa misy renim-pianakaviana mandeha eny an-tsena, dia tsikaritra fa manatona mpivarotra fitaovam-pianarana, ka ny kitapo, ny kahie, ny lamba hanaovana aron’akanjo na tablier no be mpividy amin’izany.
Teny Andravoahangy tsena ohatra tamin’ny alarobia lasa teo, dia faly sahirana ireo izay nividy lamba fa toa nisondrotra koa ny vidin’ny iray metatra amin’ny lamba fanjairana, izay efa takian’ny sekoly fianarana nefa tsy maintsy hatao. Ny teny Mahamasina koa ny ampitson’izay dia marobe ireo nitady kitapo na sakaosy tonta nefa dia nisondro-bidy ihany koa, ka nahatonga ny mpanjifa hilaza fa efa mahantra marina nefa mbola tsy maintsy mividy, satria ilain’ilay zanaka amin’ny taom-pianarana manaraka, miampy ireo fitaovana sy kojakoja madinika isan-karazany.
Ny teny Anjomà indray hatreny Soarano sy Behoririka iny, dia ireo mpivarotra kitapo vaovao no be mpitsidika, ka ireo izay nahazo avy nividy ny anjarany dia vaky vava taminay fa santatra fotsiny ihany ny vidin’ny kitapo, fa ny saram-pisoratana anarana, ny saram-pianarana isam-bolana, ny fitafiana, ny saran-dalana dia niaka-bidy avokoa. Ireo miampy ny sakafo maivana izay ho entiny, raha ankizy iray fotsiny dia efa tsy takatry ny fahefa-mividy ara-dalàna na ny fidiram-bolan’ny ray aman-dreny kely karama. Ka tao ireo izay nilaza fa maro amin’ireo saranga ambany ratsy fivelomana no tsy mampianatra ny zanany intsony, ireo saranga antenantenany koa dia efa milavo lefona ny ankamaroany, ka lasa mirenireny sy manao ditra isan-karazany ireo zanany, satria tsy voafehy intsony amin’ny ankapobeny.
Mazava araka izany fa raha karama latsaky ny 4 hetsy ariary no ampiasain’ny fianakaviana ahitana olona efatra, dia tsy ho ampy hivelomana mihitsy, satria mbola eo ny hofantrano, ny jiro sy rano, ny sakafo, ny anjaran’ireo zanaka mianatra miampy ny adidy amam-panao sy ny sisa, dia tsy ho tafarina mihitsy ra-Malagasy fa dia faha-5 mialohan’ ny farany eny hatrany eto amin’izao tontolo izao, raha tsy mbola hihemotra kely indray aoriana.