Andry Tsiavalona
Tena miaina ao anaty fiadanana tokoa ny filohan’ny Repoblika Rajoelina sy ireo tandapa ary ireo mpanohana azy, ka jamba tanteraka manoloana ny zava-mihàtra amin’ny vahoaka, satria difotry ny harena azo tamin’ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka. Miainga amin’ny zavatra hita sy tsapa ary iainan’ny vahoaka nandritra izay taona maro nitondran-dRajoelina Andry izay, no entina manaporofo fa misy krizy eto Madagasikara.
Ny tena niteraka ny krizy rehetra dia ny fahalovan’ny toe-tsain’ny mpitondra, izay tsy mikendry afa tsy hampisongadina ny tenany sy te-hampiseho amin’izao tontolo izao, fa mahay mitantana sy manana vina entina mampandroso ny Firenena. Tsy izany ny zava-misy satria rehefa asain’ny mpitondra mitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao, kanefa poakaty sy manala-baraka no hitan’izay rehetra nanantena hanovo zava-tsoa eto. Ny zava-doza dia hahiliky ny mpitondra any amin’ny loza voajanahary sy ny ady misy any ivelany ary ny mpanohitra, no lazainy fa hisatra manatara ny fampandrosoana raketin’ireo “vina” tsy marim-pototra narosan-dRajoelina Andry.
Ny voalohany niteraka ny loza iainan’ny Malagasy dia ny krizy ara-politika satria ny hevitry ny “politika” dia làlantsaina entina mampandroso eo amin’ny sehatra rehetra ny tanàna iray. Araka izany dia rehefa tsy marin-toerana ny politikam-pitantanana dia tsy misy fampandrosoana azo antenanina avy amin’ny mpitondra. Politika politisiana mantsy no ataon’ny mahazo fahefana, fa tsy ilay politika araka ny namaritana azy tany am-boalohany, ka ny vokany dia misy ny krizy ara-pahefana (crise institutionnelle).
Hatrany am-boalohany dia misy fahefana telo, mpanao lalàna sy mpanatanteraka ary mpitsara, eo amin’ny fitantanana ny firenena ka mahaleotena tanteraka ireo fahefana ireo. Taty aoriana dia niampy iray ireo dia ny fahefana fanaovan-gazety. Manana ny andraikiny sy ny fahefany tsy mahazo mifanitsaka ny fahefana tsirairay. Ny fahefana mpanao lalàna dia manara-maso ny fanatanterahan’ny fahefana mpanatanteraka ny andraikitra sy ny asa napetraka aminy. Ny fahefana mpitsara kosa dia tsy mahazo mandray baiko na mandray toromarika avy amin’ireo fahefana roa ireo. Ny zava-misy iainana eto Madagasikara dia ny fahefana mpanatanteraka no tompomarika amin’ny toe-draharaha rehetra, mifamototra ny andraikitra ka ny fahefana mpanara-maso indray no mangataka amin’ny mpanatanteraka.
Araka izany dia fanjakana tsy tan-dalàna no misy eto amin’ity Firenena ity. Vokatra aterak’izany dia tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny karazana krizy iainan’ny olompirenena tsy misy an-kanavaka. Iaraha-mahita ny krizy ara-tsosialy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny asa ary ny tsy fahalemana. Eny amin’ny Anjerimanontolo dia tara lava ny fandraisan’ireo mpiasa ara-pitantanana sy ara-teknika (PAT) ny karamany, ka rehefa misy ny fitokonana vao mikoropaka ny minisitera mpiahy. Tsy nandray ny tambin-karamany nandritra ny taona maro ny mpitsara ny taratasim-panadinana kanefa ny eo misosoka ihany. Miparitaka ny diplaoma sandoka entin’olona mitady asa, ka tsy mazava intsony iza no tompon’antoka amin’izany. Tsy miafina ihany koa ny zava-manjo ireo mpiasa any amin’ireo orinasam-pirenena, Secren ohatra, izay tsy mandray karama efa amam-bolana maro. Tsy vitsy ireo mpiasa voaroaka amin’ny asany satria tsy mihodina ara-dalàna intsony ny orinasa niasany, ka very fanahy mbola velona izy ireny sady mampitombo isa ny mahantra sy tsy manan-kohanina indray.
Tsy vitan’izay fa mikoroso fahana tsy ankijanona ny toekarem-pirenena, ka ny firenena nidedahana fa hampiana indray no manampy an’i Madagasikara. Vokatr’ireo krizy ireo dia tsy mandry fahalemana ny tany, ka manjaka ny asan-jiolahy sy ny fanafihan-dahalo, izay mandripaka mpiray tanindrazana amin’ny fomba feno habibiana. Vidin’izao fitondrana izao ny fitaovam-piadiana, hampitomboina ny isan’ny mpitandro ny filaminana, kanefa tsy ampiasaina amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ireny, fa entina manakana ny tsy ao anatin’ny fitondrana (mpanohitra), tsy hiditra ao amin’ny tanànany.
Voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana ny maha laika ny Fanjakana kanefa dia mitsabaka sy miandany amin’ny fiainam-piangonana hatramin’ny filohan’ny Repoblika, izay tsy nanaiky nanao fianihanana tamin’ny Baiboly tamin’ny nandraisany ny fahefana. Mahita ny tranga sy ny zava-misy rehetra eto Madagasikara ireo firenena sy vondrona iraisam-pirenena manana masoivoho eto, ka mbola nanala baraka tena indray ny filohan’ny Repoblika raha nilaza fa tsy misy krizy eto Madagasikara. Tsy ny handrandrana indray no hanafenana ny loha sola ary tsy azo ekena ny manao ganagana tsy hari-nify nefa manakora saka banga.