Ampiharin’ny fitondrana any amin’ny fiangonana ny “zarazarao hanjakana”

Ny Valosoa

Tsy mampino kanefa dia misy izany ankehitriny ny tranga miseho any amin’ny fiangonana, izay tsy fahita tao anatin’ny 60 taona mahery.

Ny 14 Aogositra 2022, tsingerintaona faha-185 taona nandefonana an-dRafaravavy Rasalama maritiora kristianina malagasy voalohany, no mbola niseho indray ny toejavatra mahamenatra tsy fanao any amin’ny trano fivavahana tetsy amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano. Ny tena mampalahelo dia toa ohatran’ny aradalana ny fisian’ny fifampikasihantanana sy ny fampiasana vato sy kibay ary zavamaranitra, ny fanapotehana ny fananampiangonana ary ny fifanasana vangy izay miaro fifanozonana manginy fotsiny. Ny tena fositra tamin’izao raharaha izao dia ny fandrorana tsy maimbo ny Filoha Ravalomanana nataon’ilay solombavambahoka nilaza azy ho mpanao “kung fu”. Iza anefa no tsy mahalala ankehitriny, f’ity depiote ity mihitsy no mpamafy rivotra tao Ankorondrano, ka azo inoana fa tsy maintsy hijinja tadio.

Ekena fa tsy mpino avy ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, Rasalama maritiora, kanefa na izany aza ny tsingerintaona nandefonana azy, tokony nohajaina ary tsy tokony nisehoana toejavatra mahamenatra toy ny teny Ankorondrano, kanefa izay fahafahambaraka vokatrin’ny fampiadiana ny samy mpino izay mihitsy no tadiavin’ireo mpampiady vahoaka.

Mikasika ny “Jmj” Indray dia io iarahamahita io ny fihetsikin’ny lany henatra ataon’Ingahy filoha izay manolotra fanomezana miloko vonimboasary, izay fady tanteraka izany ary tsy tokony ho ataon’ny filohampirenena, saingy ny azy ny tanjona dia ny handrebireby tanora ho diso lalana hifidy azy amin’ny 2023.

Mbola fampiadiana ny samy kristianina ny nataon’Ingahy filoha izay mitanila any amin’ny fiangonana katolika, kanefa dia jerempotsiny ny hafa, ny Sekoly Alahady Fjkm moa dia tsy itodihany maso, asa angamba noho ireo ankizy tsy mbola mpifidy amin’ny 2023.

Ny fiangonana dia tokony hitondra filaminana ho an’ny fiarahamonina ary tokony hampiray ny tsy mitovy hevitra, kanefa ny tena mamohehitra dia ny ataon’ny mpitondra mihitsy no mampisy ny korontana sy mampizarazara ny samy kristianina. Dia mihevitra ireto rajakombazaha, fa mbola mahomby ny “zarazarao hanjakana”. Diso hevitra anefa izy ireo satria tsy maintsy ho voan’ny heviny ihany tsy ho ela, satria ireo mpino kristianina tsy bado akory fa tena olona misaina sy mivavaka amin’ny fo.