Filohan‘ny FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi – Aza ampidirana loko politika ny fiangonana

Helisoa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 24 AOGOSITRA ny fihaonamben’ny STK FJKM na sampana tanora FJKM. Nandritra izany dia nisy ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi nandritra ny fanokafana izany. Nanambara ity ray amandreny ampanahy ity fa manentana anareo hanao politika ny tenanay, kanefa aza atao fitaovana politika ny fiangonana, ankoatra ireo fampianarana ara-pilazantsara sy ara-pitondrantena izay nozarainy tamin’ireo tanora FJKM marobe tonga tany Toamasina.

Niantso ny kristianina izy handray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena fa saingy mila mitandrina kosa. Izay no hafatra lehibe nentin’ny filohan’ny FJKM ho an’ireo tanora mivory any Toamasina. Misy mantsy ankehitriny ny fampiasana ny loko politika ataon’ny fitondràna izay mampizarazara ny ondry ankehitriny.