Miborioka any amin’ny tsy tokony alehany ny fitantanana ny Firenena

Andry Tsiavalona

Miborioka any amin’ny tsy tokony alehany ny fitantanana ny Firenena amin’izao fotoana izao ka tsy misy mikaona intsony ny hetsika rehetra ataon’ny andrim-panjakana. Anisan’ny niteraka resabe tsy teo anivon’ny tambazotra-tserasera isan-karazany ihany fa teny amin’ny fiarahamonina ny resaka nataon’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika fa tsy misy krizy eto amin’ny Firenena. Raha ny zava-misy iainan’ny Malagasy anefa dia tsy misy hafa tsy krizy.

Na tiana na tsy tiana dia krizy ara-politika ny antsojay nataon’ny mpitondra, na ireo tsy mahafantatra hafa tsy baiko ka “misakana ny vahoaka tsy hiditra ao an-tranony”, tamin’ny antoko Tim sy ny vondron’ny mpanohitra tany Antsiranana sy Mahajanga. Krizy tena mampikaikaika ny mpampiasa fiarakodia na kodiaran-droa na kodiarana efatra na ny fiara vaventy ny filaharana solika. Mifanohitra amin’ny toe-javatra misy eto amin’ny Firenena ny nanomezan’ny Onudi amboara ny filohan’ny Repoblika amin’ny maha tompon-daka azy eo amin’ny fananganana ozinina satria ireo noheritreretiny natsangana rehetra dia tsy misy mihodina hataramin’izao. Natao kimaimaika ny fikaonandoham-pirenena nanefena ny fanavaozana na fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara izay hoentin’ny Filohan’ny Repoblika any amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana hangatahana na hitrosana vola, ary mety hiandrandrany amboara indray. Azo lazaina anefa fa tena mikoroso fahana tanteraka ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara tsy eo amin’ny kalitao ihany fa eo amin’ny ara-pitaovana sy fotodrafitra ihany koa.

Nanambara ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo fa efa tonga tao Toamasina ny “tanker” mpitondra solika amam-polony tapitrisa litatra maro isaky ny karazany. Na izany na tsy izany dia mbola nilaza ny minisitera fa ampy ao anatin’ny volana vitsivitsy ny tahiry fa ny famatsiana ny tanàna sasany no mahatonga ny filaharana any amin’ireny toerana ireny. Raha ny fantatra anefa dia efa amin’ny fotoana voafaritra ny famatsiana ireny toby mpitsinjara solika ireny ka tsy tokony hisy fahatarana. Raha izay tokoa ny zava-misy dia tsy tokony ho ferana ny mpanjifa amin’izay tahiry heveriny fa mifanaraka amin’ny filàny ary tsy ho raràna haka solika amin’ny daba na “bidon”.

Mitaraina ny mponina any amin’ny tanàna andalovan’ny fiaran-dàlamby Fianarantsoa-Manakara fa tsy misy intsony ny zotra ka sahirana ny vahoaka eo amin’ny lafiny famoahana ny vokatra sy fitondrana ireo marary mila fitsaboana any fianarantsoa na Manakara. Izany ny toe-javatra iainan’ny mponina any kanefa dia vao taona vitsivitsy izao no nahatongavan’ireo lohamasinina “vaovao” roa novidian’ny filohan’ny Repoblika tany ivelany. Miteraka krizy izany ary toa midika fa lohamasinina efa tsy manarapenitra intsony no nandrebirebena ny Malagasy.

Mahasodoka ny mijery ireo “bus” tian’ny fitondrana ho vidina ary ho tonga eto mialohan’ny faran’ny taona. Tsy mifandraika amin’ny toe-dàlana sy haben’ny làlana anefa izy ireo ka tsy hamaha ny olana ara-pitanterana ary azo hinoana fa tsy ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mponina eto an-drenivohitra ny saran-dàlana. Ambonin’izany efa misy tekinisiana gasy manana ny fahaizana sy traikefa amin’ny fikojakojana sy fanamboarana ireny fiarakodia ireny ve eto sa hanafarana tekinisiana vahiny indray izany.

Nitokana fotodrafitrasa maromaro any amin’ny nosy Sainte-Marie ny filohan’ny Repobika ka nanararaotra nanambara ho ren-tany, ho ren-danitra fa hampitomboina ny fiaramanidin’ny Air Mad ary haverina indray ny sidina ana-habakabaka mampifandray amin’ireo Nosy manodidina. Ny manahirana dia toa tsy mbola mivaha akory ny disadisa eo amin’ny minisiteran’ny fitanterana sy ny Madagascar Airlines kanefa raha ity fanambarana ity dia toa ohatry ny tsy misy akory izany. Nanambara ny talen’ny kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika fa tsy misy fialan-tsasatra ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Raha ny tranga nisy tany Sainte-Marie kosa angamba dia tonga amin’ilay fitenenana hoe: “tanterahina miaraka ny mahasoa sy ny mahafinaritra” (joindre l’utile à l’agréable) ka sady miasa ny filohan’ny Repoblika no miala sasatra. Nitokana fotodrafitrasa, nikabary (asa ireo), nitaingina vedety haingam-pandeha ary nankafiha ny fivezivezen’ireo trozona teny an-dranomasina (fialan-tsasatra).