Boriborintany faha-3 – Nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy mpianatra

Helisoa

Tsy mijery fotsiny ny fahasahiranana mahazo ireo ray amandreny sahirana amin’izao fotoana fampidirana mpianatra ankehitriny izao ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha-3 Feno Ralambomanana, fa nisy nisy ny hetsika nataony mba hanalàna fahasahiranana azy ireo.

Notontosaina ny sabotsy teo tao amin’ny QG Bel’Air ny fizarana kits scolaires ho an’ny taom-piaranana 2022-2023 ho an’ny Fokontany 34 mandrafitra ny Boriborintany faha-3 avy amin’ny Solombavambahoaka Feno Ralambomanana.

Ankizy 300 mahery tena sahirana kilasy T1, T2, T3, T4, T5 no nisitraka izany mba hanampiana ireo Ray aman-dReny amin’ny fampidirana ny zanany an-tsekoly.