Distrikan’Ikongo – Am-polony no maty voatifitra , 33 hafa naratra

Helisoa

Zava-doza indray no nitranga tany amin’ny distrika Ikongo satria 10 maty voatifitra, 33 hafa naratra mafy nalefa any amin’ny hopitaly ao Ikongo, tamin’ireo fokonolona nitaky fitsaram-bahoaka omaly 29 aogositra.

Araka ny fanazavan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Jean Brunelle Razafintsiandraofa izay voafidy tao amin’ity distrika ity, tao amin’ny onjampeo tsy miankina iray, taorian’ny famonoana ilay renim-pianakaviana nataon’ny jiolahy, naka an-keriny ilay zanany varira, voasambotra ireo efadahy, voarohiroy izay notanan’ny zandary ao amin’ny Toby ka notakian’ny fokonolona atao fitsaram-bahoaka.

Nolavin’ny mpitandro filaminana anefa izany na dia teo aza ny fifampiresahana, ary dia tsy nisy ny vahaolana. Raikitra ny sakoroka, nitifitra ny zandary, vokany am-polony namoy ny ainy ary marobe ireo naratra mafy izay miisa 33.