Andry Tsiavalona
Misarika ny saina hiverina any amin’ny taona 2009 indray, ny tranga misy eto amin’ny Fienena nandritra ny taona roa na telo nipetrahan’izao Repoblika IV andiany faharoa nitondran-dRajoelina Andry sy ny ekipany izao. Iaraha-mahatadidy ny kononkonona nataon’ny ben’ny tanàna sy ny TGV na ny Mapar teny Ambatobe, ka nilazan’izy ireo fa tsy ho tafita ny tolona raha tsy misy rà latsaka. Tsy ampy tokoa, angamba, ny nanaovana sorona andian’olona ny Alatsinainy Mainty 26 Janoary, ka nomanina ny Sabotsy mainty 07 Febroary 2009.
Raha dinihana ireo tranga ireo dia tsy nisy fitifirana avy amin’ny mpiambina ny fiadidiana ny Repoblika (GP), na ny mpitandro ny filaminana no namoizan’ny olom-pirenena maro ny ainy, fa noho ny fitiavana fandrobàna ka tao, etsy an-daniny, ny nianjeran’ny gonim-bary ary tao koa, etsy an-kilany, ny tifitra tsy avy ao an-dapan’Ambohitsorohitra fa avy amin’ny foloalindahy (zandary, miaramila) mpikomy niara-dia tamin-dRajoelina Andry. Tsy nisy koa ny fanakantsakanana ny mpanao fihetsiketsehana teny an-dàlambe na teny an-kianja fa nigalabona nanao izay tiany natao ny mpanomana fanonganam-panjakana. Nanomboka ny taona 2019, taona nandraisan’ny filohan’ny Repoblika ny fitondrana tamin’ny alàlan’ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy fantatra intsony; na natao ny sorona (fandatsahan-drà) hijanonan’izao fitondrana izao eo amin’ny toerany; na firosoany amin’ny fanjakan’olon-tokana ho tompon’ny fahefana rehetra (mpanatanteraka, mpanao lalàna, fitsarana), ka hampihàtra ny didijadona.
Amin’izao fitondrana izao dia tsy nitsahatra ny fitokonana: mpiasa, mpandraharaha eny amin’ny Oniversite, mpitsabo mpanampy, mpianatra, mpitatitra, mponina misedra olana any amin’ny tanàna misy azy any, sns,… Niaraha-mahatadidy fa nisy fifandonana sy famoretana foana tamin’ireny hetsika ireny. Nisy rà latsaka sy aina nafoy mihitsy, toy ilay mpianatry ny Oniversite tany Toamasina izay niverenan’ny bala teo amin’ny feny nefa natao tifi-danitra, ny tany Toliara. Tany Avaratry ny Nosy moa dia tanàna iray manontolo no nodoran’ny polisy ary nosamborina ny mponina sasany nentina tany Mahajanga. Tao Farafangana dia notifirina tsy nananana antra ireo gadra nitsoaka avy tao am-ponja. Tsy azo lavina fa faritra mena ireny toerana ireny kanefa ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 anie nahafantatra, fa faritra mena tsy azo idirana ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ary niaraha-nahita tamin’ny horonantsary fa efa nampitandrina sy nanakana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hihoatra ny faritra iray kanefa dia tsy nanaiky ny filohan’ny AV7, satria efa nazava ny toromarika fa tsy maintsy misy rà latsaka.
Manome toromarika ny ao amin’ny governemanta momba ity raharaha Ikongo ity, fa tokony hampianarina lalàna momba ny faritra mena ny vahoaka Malagasy. Izao fitondrana izao anefa no nanome “tsodrano” nangalana ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny 07 Febroary 2009. Nisy nanome baiko ny zandary matoa nitifitra, avy ao an-toerana ihany, na avy aty ambony mihitsy, saingy tsy ny hampiongana azy eo amin’ny fitondrana no nandatsahana rà, fa ny hijanonany eo amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana manaraka. Ny tody anefa tsy misy fa ny atao no miverina, ka mpamosavy milevina amoron-dàlana ka mahatatesa valin-kitsaka hoy ny Fahendrena malagasy ihany. Nitsoaka niala ny tanàna avokoa ny manampahefana sy ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany rehetra, satria mahatsapa fa tsy mihodina araka ny rariny sy ny hitsiny ny fitantanana ny fiainam-bahoaka sy ny fampiharana ny lalàna tao amin’ity tanàna ity.
Ny tena mahavariana amin’izao fitondrana izao dia misy faty olona vao mihetsika sy mitondra fanampiana, kanefa tsy mampody ny ain’ny namoy izany fa toa zary fandatsana ihany. Ny maha lasa saina ihany koa dia toa te-hampiseho izao fitondrana izao fa tan-dalàna kanefa ny hetsika sy ny fomba fitantanany dia tsy misy manara-dalàna, satria mampibaribary ny fanitsakitsahana sy tsy fanajana ny Lalàmpanorenana. Tsy vitan’izany, fa rehefa misy tranga toy izao dia mitohy foana, hono, ny fanadihadiana kanefa dia very an-javony avokoa izany. Anisan’ny olompirenena miara-monina amin’ny mpiray tanindrazana aminy ireo lazaina fa mpitandro filaminana fa tsy antokon’olona avy any ivelany toy ny tamin’ny fanjanahantany ka afaka manavaka ny baiko tsy azo tanterahina sy azo atao tsy hiteraka valifaty sy fifankahalana eo amin’ny mpiara-belona.