Faritra Menabe – Samy manao izay tiany ireo olom-boafidy sy olom-boatendry

Rajepa

Ohatra ny tany tsy misy fanjakana intsony ny ao Menabe satria dia samy maka ho azy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry. Hita ao Menabe ny ben’ny Tanana sy solombavambahoaka tsy mifanaraka, hany ka miteraka tsy fandriham-pahalemana sy fampandrosoana. Misy ao koa ny olom-boatendry samy olom-boatendry tsy mifanaraka, ka variana mifampitory sy mifanaratsy fotsiny. Eo koa ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tsy mifanaraka, hany ka mikorontana tanteraka ny fitantanan-draharaha ao Menabe.

Raha ny resaka famatsiana jiro fotsiny no jerena dia vaovao diso no asain’ny tompon’andraikitra hamparitaky mpanao gazety satria raha nisy ny fihaonan’ny ray amandreny teo an-toerana dia nilaza ny tompon’andraikitra fa tsy afaka miala amin’ny fahatapahana jiro ny distrikan’ny Morondava. Akory anefa ny hagagan’ny maro fa nandritra ny hetsika izay nokarakarain’ny solombavambahoaka voafidy tao Morondava dia tsy tapaka mihitsy ny jiro nandritra ny telo andro, saingy rehefa vita ny hetsika festival Rifatsa dia niverina maty indray ny jiro amin’ny folo ora alina, ary tsy niverina raha tsy amin’ny enina ora maraina. Koa miantso ny tompon’andraikitra ambony ny vahoaka ny mba hijerena ny zava-misy any Menabe satria toa manjaka tanteraka ny tsy fandriham-pahalemana.

Ny vidin-javatra moa dia samy manao izay tiany ireo mpivarotra. Raha izao no mitohy dia ahiana ny hisian’ny hetsika ataon’ny vahoaka izay efa nisy ihany no saika hihetsika, fa saingy tratran’ny ramatahora dia tsy raikitra satria izay maneho hevitra dia henjehina sy hamoronana heloka hanenjehana azy. Sahirana tanteraka ny firaisamonim-pirenena sy ny justice et paix satria dia henjehina sy toriana tsy havela hanao ny asany.

Distrikan’ny Miandrivazo sisa no mba hany milamina sy mandry fahalemana nohon’ny firaisankinan’ny tompon’andraikitra ao ary eo koa ny tsy fampifangaroana ny politika sy ny fitatanan-draharaha satria ny hetsika rehetra izay atao ao Miandrivazo dia tsy ahitana loko politika na dia iray aza. Ny mampalahelo anefa etsy andaniny dia miseho lany ny fanalàna sy fanesorana ireo olom-boatendry ao Miandrivazo izay hita fa tena manao ny asany ho an’ny vahoaka. Koa manao antso avo ireo vahoaka sy ben’ny Tanana ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo ny mba tsy hanovàna ny tompon’andrikitra ao aminy nohon’ny resaka politika, satria dia hita ny vokatra azo tsapain-tanana, indrindra fa ny eo amin’ny lafiny fitandroana filaminana.