Vondrona Eôrôpeanina – Isabelle Delattre Burger no Ambasadaoro vaovao

Isabelle Delattre Burger Ambasadaoro Vondrona Eoropeanina (Sep 2022)

Isambilo

Efa tonga eto amintsika ny Ambasadaoro vaovaon’ny Vondrona Eôrôpeanina eto Madagasikara hisolo ny Ambasadaoro teo aloha Giovanni Di Girolamo. Ramatoa Isabelle Delattre Burger indray, no ho Masoivohon’ireo firenena Eôrôpeanina miisa 27 eto amintsika manomboka izao.

Efa lehibe nisahana an’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana tao amin’ny Vondrona Eôrôpeanina izy, mialoha izao nanendrena azy ho Ambasadaoro eto Madagasikara izao.

Omaly ity diplaomaty ity, no nanatitra ny dika mitovy ny taratasy fanendrena azy, tamin’ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy, Richard Randriamandranto. Heverina fa mbola hanamafy izy, ny tsy maintsy tokony hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena eto Madagasikara, mba hisian’ny fifidianana mangaraharaha, tsy hiteraka korontana, sy eken’ny rehetra, amin’ny fifidianana ho avy eto amintsika.