Zaza Manitranja Ramandimbiarison – Didy jadona sisa no hitazomany Andry Rajoelina ny fanjakàna

Zaza Manitranja Ramandimbiarison

Helisoa

Efa tsy zakan’ny olom-pirenena intsony ny zava-misy hiainana eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsapa izany nandritra ny fitondràna TGV Andry Rajoelina. Manoloana izany dia naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny minisitra teo aloha Zaza Ramandimbiarison ary tsy nitsitsy fitenenana ity farany manoloana izany.

Manjaka ny jadona eto amin’ny firenena. Tsy rariny intsony, aoka izay. Tsy misy intsony ny zon’ny Malagasy. Tsy mendrika izao ny Malagasy feno fahendrena mandala ny fihavanana, be herim-po. Mitsiky foana, na dia eo aza ny fahasahiranana lalovany isan’andro, isan’andro. Aoka izay ny fihatsaram-belatsihy amin’ny lainga tsara lahatra! Tsy rariny intsony. Tsy misy fitiavana mihitsy ny fihetsiky ny fitondràna Andry Rajoelina. Resaka kobaka ambava daholo ny sisa. Tsy mahalala raha tsy ny resaka rendrarendra sy vola miditra any aminy. Heveriny ho “Olom-pirenena tsy manan-zo ny Malagasy”, “Citoyen de seconde zone” hoy ny frantsay satria izy manana ny zom-pirenena frantsay. Porofo mitohaka amin’ ny tenda ny zavatra mitranga tany Alaotra mangoro: rehefa zazavavy mitovy zom-pirenena frantsay amin’ i Andry Rajoelina no voatohitohina, dia haingana be ny fanapahan-kevitra raisiny, fa rehefa ny zon’ ny zazavavy malagasy no voahitsakitsaka eto amin’ny tanindrazany, dia tsy re feo mihitsy.

Mpitondra manitsakitsaka ny fomba, ny fady ary ny hasina maha Malagasy, any ka mikorontana ny fiarahamonina. Tsy tia Rajoelina intsony ny maro, ka miseho ankehitriny ny fahatezeran’ny vahaoka maro an’isa. Ny fomba sisa hitazonana ny fanjakana dia ny didy jadona. Ny zavatra nitranga tany Ikongo, dia porofo mitohaka amin’ ny tenda fa tsy tia ny malagasy Rajoelina na dia mody nitondra teny fiaraha miory avy any Frantsa aza. Tany tan-dalana hono i Madagasikara nefa ny lalana fototra aza tsy hajainy. Izany dia fihatsaram-belatsihy fotsiny izao. Tsy manana ny rariny mihintsy ny zandary eo ambany fahefany tamin’izao famonoan’olona tsy manan-tsiny maherin’ny roapolo izao. Tsy amin’ny firenena milaza ho demôkratika toa an’i Madagasikara no ahitàna mpitandro filaminana manao tifitra variraraka amin’ny vahoaka tokony harovany, fa any amin’ny firenena mampihatra ny fitondrana didy jadona.

Taratra izay endriky ny didy jadona izay koa ny zavatra hita eo amin’ny lafiny ara-politika, indrindra fa eo amin’ny fahalalahana maneho hevitra. Rehefa ny antoko na fikambanana politika manohana ny fitondrana no manao fihetsiketsehana an-dalambe dia mahazo alàlana malalaka eran’ny Nosy. Rehefa ny antoko avy amin’ny fanoherana no mikasa hanao fihetsiketsehana an-dalambe na amin’ny toerana fananan’olon-tsotra toy ny Magro, dia tsy omen’ny Fanjakana alàlana mihintsy ary miaramila mirongo fitaovam-piadiana an-jatony no hahetsika.

Ny fampiharana ny lalàna hain’izao fitondrana izao dia manao didiko fe lehibe tohin’ny ny fampidirana am-ponja eny Tsiafahy an’ilay mpiasan’ny UNESCO naka ny sarin’ny valizin’ny filoham-pirenena. Tsy misy intsony ny zon’ny Malagasy. Tsy mendrika izao ny Malagasy feno fahendrena, be herim-po; eny mitsiky foana, na dia eo aza ny fahasahiranana lalovany isan’andro, isan’andro.