Filoha Marc Ravalomanana – Nitondra teny fampiononana ho an’ny fianakaviam-be Katolika

Helisoa

Noho ny fodia-mandrin’ny Evekan’Antsirabe Ranaivomanana Philippe dia nitondra ny teny fampiononana ny Katolika manontolo sy ny fianakaviana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Tamim-pahatairana lehibe hoy izy no nandrenesako ny fahalasanan’ny Eveka RANAIVOMANANA Philippe. Mampahery ny Fianakaviambe katolika iray manontolo ny tenako ary Andriamanitra anie hitondra fampiononana feno ho an’ireo niara-niasa taminy akaiky ho fampandrosoana ny Fiangonana amin’ny asa masina nanendren’ny Tompo azy.

Marihina moa fa mbola nanatrika ny lamesa famaranana ny JMJ MADA andiany faha 10 tao Antsirabe ny Eveka izao nindaosin’ny fahafatesana izao . Ny gazety Ny valosoa vaovao dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviamben’ny finoana Katolika ary ho an’ireo fianakaviana manontolo.