Ho fandraisana an-dRajoelina sy ireo ministra – Nandoa 1 hetsy Ar avy ireo kaominina, 1000 Ar avy ny mpampianatra

Niaina

Araka ny fantatra dia hitsidika ny any Ambilobe faritra Diana rahampitso sy rahafak’ampitso ny filoha Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Noho izay antony izay araka ny vaovao voaray, nisy ny tsipaipaika nataon’ny any antoerana ho fandraisana azy sy ny delegasiona tarihany. Izany no midika fa tsy manam-bola ireo rantsa-mangaikan’ny fitondrana any ifotony, fa ny kaominina sy ny mpampianatra izay efa sahirana indray no vosirina hakana vola izao. Ho an’ireo kaominina, vola hividianana omby handraisana ny vahiny no anisan’ny antony nanaovana ny latsakemboka: “misy ny omby havoakan’ny ACA na Association des Communes d’Ankarana. ACA, itambaran’ireo ben’ny tanàna any an-toerana. Avy eo misy koa tsipaipaika na cotisation 1 hetsy Ar isaka kaominina.”

Ho an’ireo mpampianatra, nisy ny teny midina ho azy ireo:”ampahatsiahivina isika mpampianatra rehetra fa ho avy ao Ambilobe ny President de la Republique miaraka amin’ireo ministra maromaro ny 9 sy 10 septambra, ho avy hitokana ny ESM (Etablissement Scolaire Manarapenitra) ao Matsaborilaidama, ny Tribonaly sy ny lalana RN5A ary ny hopitaly ny Sirama. Samy mandray sy mikarakara ary manotrona ny lehibeny ny services tsirairay, ka manao cotisation 1000 Ar ny mpampianatra rehetra handraisana sy hikarakarantsika ny lehibentsika ary ny talata ny farany.”

Tsy afa-manoatra ireo kaominina sy ireo mpampianatra na sahirana aza, fa tsy maintsy nandray anjara tamin’ny latsak’emboka, handraisana ireo manam-pahefana. Mbola mampiseho ny didy jadon’ny fitondrana Rajoelina koa izany.