Solombavambahoaka TIako i Madagasikara – Tonga any Ikongo manome fankaherezana ireo niharam-boina

Helisoa

Na sarotra aza ny lalana mihazo ny distrikan’Ikongo noho ny faharatsian’ny lalana, dia tsy nahasakana ireo solombavam-bahoaka TIM izay solotena nalefan’ny filohan’ny RMDM sy ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana ho tonga any Ikongo izany, hitondra teny fankaherezana ho an’ireo mpiray tanindrazana any antoerana. Malagasy 30 mahery no nindaosin’ny fahafatesana ary mponina maro no nitondra takaitra vokatry ny vonomoka natao tamin’izy ireo.

Nitarika ny delegasiona tamin’izany ny depiote voafidy tao Ambohidratrimo sady sekretera jeneraly faha 2 ny antoko Tiako i Madagasikara Mamy Rabenirina. Avy hatrany dia nitsidika ireo marary tao amin’ny hopitaly izy ireo tamin’izany ary nitondra izay voatsirambin’ny tanana.

.