EDITO 15 Septambra – Jolay, aogositra, septambra – 3 volana faha-3, isehoan-javatra maro mifamahofaho

Beharo

Telo volana faha-3 hafakely tao anatin’izao taona 2022 izao, no akom-baovao azo teny rehetra teny raha ny azon’ny mapanao gazety. Volana jolay, aogositra, septambra, nahitan-javatra raha fintinina no azo ilazana azy, toy ny andro ririnina izay namparary vahoaka maro, tsy adino koa ny doro tanety sy ny trano may, miampy ny fahasahiranana samihafa ao anaty krizy izay afenimpenina etsy sy eroa ity. Tao anatin’izany no namelana malalaka ny fidirana eto amintsika momba ny aretina covid-19 ohatra, ka nahitana ihany koa ny fihenan’ny fanaovana ireny aro vava sy orona ireny, sy ny kitoatoa eo amin’ny fanadiovana ny tànana amin’ny savony ara-dalàna. Tsy misy tsy misondrotra ny vidin’entana, ka mahatonga ireo ray amandreny hilaza fa fanjakana tsy mitsinjo vahoaka tokoa no misy eto, raha hijery ny vidin’ireo fitaovam-pianarana, ny saram-pisoratana anarana, ny ekôlazy sy ny sisa, izay manimba ny volana septambra tokoa.

Ny isan’ ny olona namoy ny aina tamin’ny tsy rariny moa dia efa vesatra ho an’ ny rehetra koa, tao ireo tsy maty an-dohan’ny maro toy ny tany Ankazobe, Ikongo, ny tany Toliara Anjerimanontolo, sy ny maro hafa… miampy ireo fifandonana atao fanahy iniana eo amin’ny antoko mpanohitra sy ny tafika ohatra, eo koa ny vono isan-karazany azo avy amin’ny fisamborana dahalo, ny lozam-pifamoivoizana ary ny loza an-dranomasina vao nitranga tany Ampanihy farany teo.

Soa hoy ny rehetra, fa teo avokoa ireo fotoam-bavaka nokarakarain’ny kristiana tany amin’ireo tanàn-dehibe, nefa dia toa mbola simbaina amin’ny raharaha Jesosy Mamonjy indray, ka na olana sedrain’ny finoana Jesosy Mamonjy fotsiny aza dia tsabahana amin’ny ara-politika koa. Fahafaham-baraka iraisam-pirenena no misy amin’izao fotoana, manampy trotraka izany ny raharaha Ceni, HCC, izay efa tokony ho ravaina aloha dia hovaina ho tantanin’ny rehetra aorian’ny fikaonan-doha.

Mazava arak’izany, fa miparitaka n’aiza n’aiza maneran-tany mihitsy, ny tandrevaka misy sy hita eto amin’ny firenena, ka ny FITOKANANA, no atao takon’henatra, nefa ny FITOKONANA etsy sy eroa efa mahamenatra tanteraka, ambara fa FITOKONANA manara-penitra izy ireny.