Fahaleovantena, fiandrianam-pirenena, resahana fa tsy voahaja

Sôh’son

Ny teny hoe « mahaleotena » na fahaleovantena raha ny fahitana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, dia anarany fotsiny. Teny ambara ihany, fa tsy mifanaraka amin’izany ny zava-misy iaraha-mahita sy miaina.

Eo aloha ny lafiny fiandrianam-pirenena. Tena manana ny fiandrianany marina ve ny firenena malagasy raha ny tontolo ara-jeôstratejika miatrika ny fifandraisana iraisam-pirenena? Ny voalohany amin’izany ny fifandraisana amin’i Frantsa. Ao ambadik’izany ny « Tandrefana » izay misy an’i Eôrôpa andrefana sy Etazonia, sy ny « Tatsinanana » misy an’i Rosia, raha mbola mitoetra izany voambolana izany amin’izao fotoana izao, fa izay aloha raha tsorina ny fahitana azy. Ny fifandraisana amin’i Frantsa no miharihary mazava tsara, izay mbola mampihàtra sy raiki-tampisaka aminy, ny politikan’ny « néocolonialisme » na ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Ilaina ny fahaizana manavaka ny vary amin’ny tsiparifary. Tena tsara marina ve ny mpitondra frantsay hilaza, fa imperialista i Rosia. Tsy midika ho fiandaniana aminy akory raha milaza izany, fa mijery ny zava-misy, ary mahatsiaro avy hatrany ireo Nosy Malagasy izay bodoin’ny fitondrana frantsay. Miendrika inona ny fibodoana ireo Nosy Malagasy ireo izany? Tsy ampahana tany sisa tavela amin’ny fananiham-bohitra, imperialisma, nataon’ny mpanjanatany frantsay tamin’ny fotoan’andro teto ve ireo Nosy an’ny Malagasy giaziny mafy ireo? Mariky ny fiandrianam-pirenena mbola voahosihosy izany. Ny fitondrana ankehitriny rahateo dia tsy atao hahagaga raha arirariran’ny mpitondra frantsay fotsiny amin’ny dinika ifanaovana aminy satria kely endaka rahateo. Mbola hiaraha-mahita eo izany amin’ny lazaina ho fihaonana faharoa hotanterahina tsy ho ela izay nambara tato ho ato. Fa hatreto aloha tsy mahaleotena i Madagasikara, na ara-toekarena sy indrindra ara-politika eo amin’izay sehatra lehibe ara-jeôstratejika izay, ary mahafantatra izany tsara ankehitriny ny olom-pirenena maro eto amin’ny firenena. Ny olana, tsy izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy no hahavaha izany geja manjo ny firenena izany. Azo tarafina tsara amin’ny tamin’ny re sy hita tamin’ny dian’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tany no ahafahana mandrefy izany, na dia nisy aza fieboeboana amin’ny filazan’ny tenany sy fitanisany ho “nahavita zavatra” nandritra ny fitantanany izao. Ho an’ny olom-pirenena mpanara-baovao ireny, dia mba miakatra polipitran’ny Firenena Mikambana sy mikabary fe mikabary angaha, fa ny zava-misy marina iainam-bahoaka, toa lavitry ny afo ny kitay…

Etsy ankilan’izay, ambara ho mahaleotena ireo sampan-draharaha lehibe roa, miady amin’ny kolikoly na ny Bianco ( Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly), sy ny misahana ny fifidianana na ny Ceni (Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana). Mihifikifika ny maro momba izany, fa raha ny fizotry ny fomba fiasa sy ny zava-misy dia anarana ka mba anarana napetraka ny an’ireo amin’izao fotoana izao. Efa naneho ny fiheverany sy ny fahitany azy ireo ny sokajy maro samihafa, olom-pirenena tsotra, fikambanana, indrindra ireo antoko politika avy amin’ny mpanohitra, sns… Tsy mahaleotena izany ireo raha ny hevitry ny maro, ary noho izany ihany no fototry ny fisian’ny ahiahy lehibe misy eo amin’ny mpanohitra, raha hiatrika fifidianana amin’ny taona 2023. Tsy handeha amin’ny fahamarinana sy madio mangarahara io fifidianana io noho ireo olona mpikambana ao anatiny, ary hatrany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC). Manaporofo izay rahateo ny nitranga tamin’ny fifidianana natao teto farany. Ny “tanana zatra mitsotra, hono, tsy afaka hivonkona intsony”. Ny ahiahy ihany koa tsy hihavanana, ary izay indrindra no tsy ifampitokisana amin’ny fifidianana ho avy sy ny mety hitranga eto amin’ity firenena ity raha tsy misy fiovàna na fanovàna ireo olana manahirana samihafa ao anatiny. Fomba fijery na fiheverana tsy azo lazaina velively ho tsy mitombina ny azy ireo, ka hiaraha-mahita eo ny fepetra horaisin’izao fitondrana izao.

Hatreto anefa aloha raha ny fahitana ny raharaha, dia miziriziry amin’ny heviny, na dia efa resena lahatra hatrany aza, ny fitondrana. Toy ny hoe miezaka mampiditra ny firenena hatrany ao anaty lalan-kizo sy ratsy. Tsy mendrika ny vahoaka Malagasy sy i Madagasikara intsony anefa izany. Mila mahaleotena madio mangarahara ny firenena amin’ny lafiny rehetra amin’ny seha-pitantanana, mba tsy ho rambony maneran-tany toy izao toerana misy antsika amin’izao fotoana.