Andry Tsiavalona
Hanontany ny maro hoe inona no dikan’izany “devolikrasia” izany? Miainga amin’ny famaritana ny “demokrasia” no hahafahana manazava ny tiana ho lazaina.Voambolana latina ny “démocratie ka ny “démo” dia “vahoaka” no dikany ary ny “cratie” dia “fiandrianana” (souveraineté) izany hoe: ny “vahoaka no manjaka”. Raha ny zava-misy iainan’ny Malagasy tany tamin’ny tetezamita sy amin’izao Repoblika IV-2 izao dia mandohalika ny vahoaka roambisivifolo isan-jato (92%). Manaporofo izany dia miraviravy tànana ny vahoaka manerana ny Firenena manoloana ny tsy fandriampahalemana.
Misy ny ezaka ataon’ny “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany” kanefa azo lazaina tsy misy ampahafirin’ny vonoan’olona, ny halatromby sy ny asan-jiolahy ary ny fakana an-keriny avoakan’ny haino aman-jery isan’andro ary hita sy re etsy sy eroa izany. Ny vahoaka ihany koa no mitondra faisana amin’ny kolikoly ataon’ny afaka manao izany eny amin’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary eny amin’ny sampan-draharaha miankina amin’ny fanjakana isan-tokony.Tsapa amin’izao fotoana izao fa efa manomboka ho tofoka ny vahoaka, ka mitranga amin’ny toerana maro ny fitsaram-bahoaka. Voaroaka eo amin’ny tanindrazany na ny tany nohajariana am-polo taonany maro noho ny tsindry ataon’ny manampahefana, na noho ny kolikoly manajamba ny mason’ny hendry sy mamadika ny tenin’ny marina. Tsy mitsahatra ny mirehareha sy mieboebo ny mpitondra isan’ambaratonga manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy afa-manoatra ny ankamaroan’ny olompirenena manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana, ka mba tsy ihoaram-pefy dia aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy ary mitombo andro aman’alina ny matory manao tafo lanitra sy ny mpangataka.
Ireo rehetra ireo dia mampiseho sy manaporofo, fa manjaka tanteraka eto amin’ny Firenena ny devoly: ny lainga afafin’ny mpitondra, etsy sy eroa, andemena ny saim-bahoaka, ny fanompoana mamôna (vola amin-karena), ny halatra sy fanodinkodinana ny volam-bahoaka, ny vonoan’olona amin’ny endriny samihafa, ny kolikoly, ny halatra sy sinto-mahery ary vaky trano, ny fisandohana sy fametsifetsena ny mpiarabelona. Raha mitondra faisana sy very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ny Malagasy dia mifanohitra amin’izany kosa ny fiainan’ny mpitondra, satria mitombo harena sy milomano ao anatin’ny fahalemana sy fanapena-maso manoloana ny fahorian’ny vahoaka miandrandra tamberin’andraikitra.
Tsy fantatra intsony na tsy fahaizana na fitiavana lainga na voafahan-dalitra ny filohan’ny Repoblika tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, New York, raha nikabary fa 146% ny ankizy Malagasy no tafiditra an-tsekoly. Ny manahirana dia mirehareha Rajoelina Andry tany amin’ity Fivoriambe ity, satria nitanisa ny làlana notokanany sy ny hanaovana ato anatin’ny herinandro vitsivitsy ny làlambe migodana (autoroute) mampitohy ny Renivohitra sy Toamasina, sns,… Tsy mba manana fanetren-tena mihitsy ny filohan’ny Repoblika, ny fireharehana anefa mialohan’ny faharavana. Vao omaly no nanambara ny fanodinkodinana volambahoaka dimampolo miliara ariary ny IGE. Halatra izany, ka raha ny marina dia tsy maintsy nomena ny antsipiriany: tao amin’ny departemanta iza avy ary ohatr’inona avy. Tamin’ny herinandro lasa koa dia namaky bantsilana ny ao amin’ny Rafitra miady amin’ny Kolikoly fa sarotra ny fanatanterahana ny asa entina miady amin’ny kolikoly, satria misy foana ny tsindry avy any ambony.
Tsy hain’ny vahoaka Malagasy izay hatao manoloana ny fanondranana ny harem-pirenena izay heverina fa tafiditra ao anatin’ny tambazotra mpanao izany ny tandapa. Tsy manjaka eto amin’ity Firenena ity mihitsy ny fahamarinana, fa ny lainga no afafin’ny manampahefana, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany kanefa dia “ny fahamarinana no manandratra ny Firenena”. Ny mpino kristiana rehetra anefa dia mahalala fa ny devoly no mpandainga sady rain’ny lainga, ka izy no angamba no manolotsaina ny mpitondra, fa hitovy amin’ireo firenen-dehibe i Madagasikara rehefa mandainga kanefa tsy misy marina tsy hiseho.