Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana – Aoka halalaka ny antoko politika hanara-maso, hoy ravalo

Isambilo

Nanomboka ny voalohan’ny volana oktobra teo ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana eto amintsika, nisy ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM mahakasika izany.

Aoka halalaka ny antoko politika rehetra hanara-maso izany, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny teny nampitainy hoy ny mpikatroka Tim sy RMDM momba izany, ho an’ny tompon’andraikitry ny CENI isan’ambaratongany ary ho an’ny tompon’andraiki-panjakana.