Analamalotra Toamasina II – Miantso ny katolika hamerina ny tany amin’ny tompony, Me Eric

Helisoa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny birao fiasany, teny Ambonisoa Itaosy omaly, ny mpisolovava ny tompon’ny tany, amin’ny raharaha tany any Analamalotra Toamasina II faritra Atsinanana. Tamin’izany no niantsoan’ity mpisolovava ity ny katolika hamerina ny tany amin’ny tompony. Manana tany betsaka ny fiangonana katolika hoy izy, koa maninona no tanin’olona no hanorenana?

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tokoa ny mpisolovava ny tompon’ny tany ao Analamalotra Toamasina II, Me Eric Rafidison, manoloana ny fangalàn’ny fiangonana Katolika ny tanin’i Be Francois, izay nananganana fotodrafitr’asa nametrahan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina vato fototra, niaraka tamin’ny mpitarika ny Eglizy katolika vao tsy ela akory izay . Nanambara ny mpisolovava Me Eric Rafidison, fa tanin’olona titré borné, no nametrahana vato fototra tany Analamalotra Toamasina II. Ny zava-misy, ny ONG Saint Gabriel miaraka amin’ny Frera Karana dia efa resy teny amin’ny Fitsarana, fa nampiasa ny fahefana Mpanatanteraka tao anatin’izao fitondrana izao haka ny tanin’olona. Ny Minisitra rehetra nifandimby teo aloha dia samy efa nitsipaka ny fangatahan’io ONG Saint Gabriel io, satria raharaha efa namoahan’ny Cour de Cassation didim-pitsarana io raharaha io.

Toy izao ilay didim-pitsarana:
” cour de cassation « Chambre Civile, Commerciale et Sociale » a rendu la décision suivante (Pièce n°4)
– CASSE ET ANNULE SANS RENVOI l’arrêt civil n°CATO-331/CIV/11 du 02 Août 2011
rendu par la Chambre civile de la Cour d’appel de Toamasina;
– Ordonne la restitution de l’amende de cassation;
– Condamne la défenderesse aux dépens “.

Efa in-4 nanao fangatahana interpretation ilay didim-pitsarana navoakan’ny Cour de cassation teny amin’ny Minisitera ny ONG Saint Gabriel, saingy nolavin’ireo Minisitra foana ny fangatahany, satria raharaha efa namoahan’ny Fitsarana an-tampony didy. Ilay fangatahana interprétation nataony farany no natao antsokosoko ny desambra 2021. Ny nahavarina tamin’izany dia lasa nivadika chambre pénal no mandinika ilay didim-pitsarana kanefa dia didim-pitsarana civile hatrany amboalohany ilay izy.

Ny arrêt dia civile kanefa lasa ny cour de cassation pénale ary chambre de cassation pénale no mijery azy. Efa nisy didim-pitsarana teo alohan’io, izay nilaza fa tsy mahefa ny cour de cassation, satria raharaha efa voatsara ilay izy.

Efa imbetsaka notsaraina teo anivon’ny cours de cassation io ady tany io kanefa dia nofohazina tampoka teo . Lasa nivadika raharaha ady heloka ilay raharaha ady madio, izany hoe lasa mampigadra. Tao anatin ‘izany no nilazana indray, fa misy ” olana ara materialy hono. Dia satria rehefa misy olana ara materialy, amin’ilay raharaha ady madio navadika ho raharaha ady heloka dia naverina teo anatrehan’ny cour de cassation indray, io raharaha io. Naverina notsaraina tampotampoka indray, satria nisy baiko nilatsaka avy any amin’ny Faratampony nitenenana ny Ministeran’ny Fitsarana sy nitenenana ny Premier Président an’ny cour de cassation (PPCS), nanome baiko azy fa hoe lasa omena ny Katolika indray ny tany . Noho izany, voatery notsaraina faran’izay haingana ilay raharaha, ka navadika nefa raharaha efa vita tsara teo aloha. Efa nanapaka ny Fitsarana tamin’io andro io, fa ahemotra amin’ny 04 Octobre 2022 ny raharaha, fa tsy ho tsaraina ny andron’io. Efa nosoratana tao anatin’ilay boky mirakitra ny raharaha na ny Plumitif mihintsy aza io fapahan-kevitra fanemorana io. Efa lasa nandeha nivoaka daholo ny olona no nantsoina niverina indray, ka nolazaina fa hoe misy baiko milatsaka, fa tsy maintsy tsaraina androany dia androany ihany ity raharaha ity”.

Iaraha-nahita ny zava- nisy taorian’izay, satria dia tonga tany Analamalotra Toamasina ny filoham-pirenena, ka teo amin’ny tanin’olona Titré Borné, no nametrahany vato fototra niaraka tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana katolika.

Rehefa mijery ny certificat de situation juridique anefa dia tsy misoratra amin’ny anaran’ny katolika velively ilay tany, fa ny tompony ao dia olona hafa. Fa maninona ary zo avy aiza no ahafahany manao fanorenana nefa tsy hananany zo na dia kely aza. Raha fananana tany dia tsy misy manana tany betsaka mihoatra ny Eglizy katolika, koa maninona no tsy any no atao ny fanorenana, fa tsy any amin’ny tanin’olona izay efa nipetrahany nanomboka tany amin’ny taona 80 sy tany izay efa nomena azy tamin’ny alalan’ny Didimpitsaràna?

Misintona ny sain’ny mpitondra ny fiangoanana katolika, sy ny mahay lalàna ny mpisolovava an’i Be Francois, Me Eric Rafidison, tompon’ny tany ao Analamalotra Toamasina II, satria manaratsy endrika ny fiangonana sy ny fitsaràna raha minia manatanteraka ny fanorenana fotodrafitr’asa eo ambonin’ny tany manan-tompo.