Sôh’son
Miditra amin’ny tapany faharoa amin’ny volana oktobra sahady isika ankehitriny. Miha- misoko mangina ao anaty fihamafisan’ny fidangan’ny vidim-piainana indray ny vahoaka. Efa manomboka miakatra indray ny vidin’ny vary eny an-tsena. Efa misy ireo mihoatra ny 800 ariary izao, ilay manana kalitao tsara izany. Izany hoe ny sarambabem-bahoaka dia tsy mihinana vary tsara kalitao izany intsony, fa izay hany mba takatry ny vola. Misy aza efa tsy mahavita intsony mihinana vary in-telo isan’andro ary misy mihitsy ny mandry fotsy. Hihasarotra anefa ny vidim-piainana manomboka izao satria miditra amin’ny maitso ahitra. Hiha-hitombo araka izany, mazava loatra, ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny mponina ka tsy ny any atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy ihany no hiharan’izany tranga izany, efa fotoana ela rahateo ny azy ireo io tranga io, fa hiitatra amin’ny faritra hafa izany. Eny, hiharan’izany na ny amin’ny faritra an-drenivohitra aza. Efa misy izany fotoana ela izay, fa mbola hiha-hitombo isa ireo.
Rehefa bangoina tsotra, ny fitondrana Rajoelina dia fitondrana tsy mahavaha olam-bahoaka nandritry ny fotoam-piasany izao. Eo ny resaka sakafo izay, izay tsy nahafaka ny vahoaka tao anaty tsy fanjarian-tsakafo ny fitondrana. Tsy afaka ny delestazy, izay nidedahana ery tany am-piandohana fa izy no hahavaha ny olana sy nanakianana mafy ny fitondrana teo alohany. Fitaka bevava tsotra izao no ilazana azy, fa iaraha-mahita sy miaina izany delestazy izany. Ny fatiantoky ny vahoaka mampiasa rianaratra tao anatin’izay taona maro sy fotoana ela izay goavana. Ny azy mpitondra tsy misy voatohina, fa ny fihariam-bahoaka mahita faisana.
Izao indray midehaka fa hanome vahana ny sehatry ny indostria amin’ny resaka famoronana na fananganana. Ny eo efa nisy aza anefa natao izay namonoana azy ary tsy namakiana loha ireo mpiasa nivelona tao anatin’izany. Nilàna vaniny, ohatra, ny orinasa Magro teny Ankorondrano sy Behoririka. Mpiasa firifiry akory no maty fivelomana tao anatin’izany. Fitondrana tsy mitsinjo sy tsy miaro mpiasa malagasy. Ny mponina very tany fonenana sy fihariana, fa bodoin’ny mpanambola izany, miseholany amin’ny toerana na faritra samihafa eto amin’ny Nosy. Miady kanefa toa kely hery, miantso vonjy amin’ny filohan’ny Repoblika mba hiaro azy kanefa zary toa manao antso an’efitra ihany. Zary lasa teny eny am-bavan’ny olom-pirenena marobe ankehitriny ny hoe “tsy misy miaro intsony izy”. Tsy hitany intsony izay afaka mba hiaro azy amin’ny olana mianjady aminy, ary zary tany tsy misy fanjakana hiaro ilay vahoaka madinika. Manjaka ny tsy rariny sy tsy hitsiny eto amin’ny firenena. Izany sisa no iainan’ilay vahoaka malagasy nomena fampanantenana poak’aty.