Andry Tsiavalona
Tapidàlan-kaleha izao fitondrana izao ka ny sisa azony atao dia tsy misy afa tsy ny fanakanana, fandrahonana sy fampiasan-kery ary fanagadrana manoloana ny fanoherana ny tsy rariny, ny fitakiana ny zony sy ny fitokonana ary ny fanairana ataon’ireo ihàran’izany. Etsy andanin’izany anefa dia misy tandapa manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena kanefa tsy hita izay ataon’ny manampahefana manana andraikitra hanameloka izany.
Tsara ho marihana, fa tena ilaina tokoa ny handetehana ao an-tsain’ny mpiray tanindrazana ny tsy fahombiazana sy kitoatoa ataon’izao fitondrana izao eo amin’ny sehatra rehetra. Atao izany mba tsy handeferan’ny vahoaka intsony, ka hanilihany sy hampiharany ny tsy fandeferana hentitra (tolérance zéro) manoloana ny adalàn’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao ary hanao izay fomba rehetra tsy hiverenany eo amin’ny fitondrana intsony.
Iaraha-mahita eny amin’ny haino aman-jery ary gazety ny tsy firaharahian’ny minisitera ny fitakiana ataon’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana. Amam-bolana no nitokona izy ireo kanefa dia tsy mbola hita ny vahaolana ary dia fandrahonana sy fampitahorana no hasetrin’ny minisitra ny fitakiana. Omena taratasy fiantsoana (requisition) ny mpiasa hiverina hiasa fa raha tsy izany dia ho tapahina, hono, ny karama. Asa raha tsy fantatry ny minisitra fa sendika no mihetsika, ka arovan’ny lalàna ny mpitokona satria zony feno izany. Mahatsapa mantsy ny minisitera fa tsy misy raharaha mandeha eo anivon’ny fitsarana raha mbola mitokona ny mpiraki-draharaha, ka hifototra izy no mety hisaoty eo amin’ny toerany dia tsy mahita làlan-kizorana ankoatry ny fampitahorana sisa no atao. Mbola tsy sahy mampiasa herim-pamoretana anefa aloha hatreto, ka asa raha ho tonga amin’izany ihany aoriana.
Ankoatry ny raharaha nanala-baraka ny minisitry ny Serasera sy ny Kolotsaina tamin’ny fotoana dia mijabaka indray izy momba ny fitantanana ny OMDA, ka mahatonga ny hetsika ataon’ny mpanakanto amin’izao fotoana izao izay mitsipaka ny antsoin’izy ireo hoe “freedomisation” an’ ity sampandraharaha miaro ny zon’ny mpanakanto ity. Iaraha-mahatsiaro fa maro tamin’ireo mpanakanto manao ny hestika no nanohana izao fitondrana izao, ka nahatongavany eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny. Ny azo lazaina dia soa kenda hahay mitsako, ary soa lavo hahay hamindra.
Azo lazaina fa iray tamin’ireo nampiakatra an-dRajoelina Andry eo amin’ny seza fiandrianany i Mahery Lanto Manandafy (Malama) na dia azo heverina ho ankolaka aza izany kanefa dia atakalon’ny fitondrana vazaha izy, ka nampidirina am-ponja. Tsy nandray ny fitorian’ny vadiny ny eny amin’ny PAC, torak’izany koa ny ao amin’ny Fitsarana. Noraràna ny hetsika nokasain’ity vadiny natao, na teto Antananarivo na tany Toliara. Tsy fihetsempo na tombatombana ivelany no hanohanana olona iray, fa fandinihana lalina ny lasa rehetran’ilay olona ho tohanana. Rehefa jerena kosa ny adalàna ataon’ny mpitondra na ny mpiandany aminy dia jerena fotsiny izy ireny ary tsy misy fandraisana fepetra hanasaziana azy ireny.
Tsy azo adinoina ny fisamboram-bola nataon’ny fiadidiana ny tanànan’antananarivo tao amin’ny CNaPs, sy ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika fa ity orinasam-panjakana ity no hameno ny tsy ampy amin’ny karama farany ambanin’ny mpiasa tsy miankina. Tsy ny tomponandraikitra aty ambany ihany no manao adalàna fa hatrany amin’ny faratampony, ka heverina fa tsy mendrika ny toerana nametrahana azy izy rehetra ka tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva fa tsy misy tiana ohatry ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono dia hakifika.
Nanome taratasy fahazoana mitatitra voamboana ho aty an-dRenivohitra ny depiote Rakotomanga Lanto, izay efa nitondra vola tamin’ny boritra amina arivo tapitrisa tao anaty fiarany tamin’izany fotoana izany, kanefa dia ny mpamily ilay fiara indray no naiditra am-ponja. Anisan’ny nanolo sefo fokontany tany amin’ny boriborintany faharoa ihany koa ity depiote ity volana maro lasa izay. Fandikan-daàla daholo izany kanefa dia tsy mbola misy fepetra noraisin’ny tomponandraikitra tandrify izany hatramin’izao. Koa asakasak’izay nametraka fitokisana tamin’ny olona toy izany, ka hamerimberina ao an-tsaina mandrakariva fa ny toky fitaka fa ny atao no hita.
Nesorina tamin’ny toerany ny minisitry ny Raharaham-bahiny ary nisolo toerana azy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, izay manamboninahitra ambony eo anivon’ny tafika. Tsy dia nahagaga loatra izany satria dia izy no nanao fampiraharahana ara-tafika tamin’i Rosia. Hiaro ny Firenena amin’izay mety ho fanafihana avy any ivelany tokoa no andrakitra ankinina aminy voalohany koa asa raha azo ho entina hanosika ny frantsay hiala any amin’ireo Nosy Malagasy manodidna izay fitaovampiadiana nanaovana fifanarahana tany Rosia. Tsy misy afaka mandà tokoa mantsy fa fananiham-bohitra no ataon’ny frantsay, ary mitovy amin’ny ataon’ny Rosia any Ukraine, izay nomelohin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha tany amin’ny Fivorian’ny Firenena Mikambana. Manohana an’i Madagasikara, hono, ny rosiana amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy ireo ka hanosika ny frantsay any ve? Tsy ho sahy hanao izany i Rosia ka efa nomeny fitaovana ny gasy ka hampiasao handroahana ny frantsay any. Niteniteny foana, na niteny tsy voahevitra ihany koa ny ministry ny fiarovam-pirenena nilaza, fa tsy afa-miala amin’ny Rosia isika amin’ny resaka fitaovam-piadiana, ny ankamaroan’ireo fitaovam-piadiana tamin’ny Rosiana dia efa tranainy ary tsy fitaovam-piadiana no laharam-pahamehana eto amintsika, fa ny fampakarana ny sosialy sy ny toekaren’ny mponina.
Farany, ny gasy no anamparan’izao fitondrana izao fahefana amin’ny endriny rehetra, fa mifori-drambo sy mandohalika kosa izy ireo manoloana ny fibodoan’ny vahiny ny taniny.