Fisolokiana – Nahitana vola sandoka Mandritsara, Manakara, Mahanoro

Niaina

Miparitaka amin’ny faritra sasany eto Madagasikara amin’izao fotoana ny vola sandoka, nahitana izany ny tany Mandritsara faritra Sofia sy ny tany Manakara faritra Fitovinany, raha ny afak’omaly, efa nahitana izany koa ny tany Mahanoro any amin’ny faritra Atsinanana. Tany Mandritsara: olona iray avy naka vola tamin’ny “cash point” iray tao Mandritsara, no nahatsapa rehefa tonga ny fotoana nampiasany an’ilay vola fa vola sandoka ity an-tanany. Naveriny tany amin’ny toerana nahazoany azy ilay vola, ka tao no fantatra fa nomen’olona vola sandoka, olona nanao dépôt ilay tompon’ny “cash point” tamin’ny fotoana tsy fantany. Nosoloany araka izany ilay vola tamin’ny farany.

Tany Manakara, lehilahy iray no saika hanao “dépôt” vola sandoka iray tapitrisa ariary tamin’ny Kiôska iray tao an-toerana. Ilay ramatoa mpiandraikitra ny Kiôska no nahatsapa fa vola sandoka ny 20.000 Ar voalohany voarainy, ka rehefa nojerena tsara dia vola sandoka avokoa izy rehetra nitentina 1.000.000 Ar. Nilaza ilay lehilahy nitondra vola io tamin’ny voalohany, fa tamin’ny zazavavindrano hono no nahazoany an’ilay vola. Niova anefa ny teniny rehefa nofotarana mafy izy ka nilaza, fa nisy olona naniraka azy hanao “dépôt”. Nampandre ny mpitandro filaminana ilay ramatoa miasa ao an’ity Kiôska ity noho izany, ka notanana ilay lehilahy.

Tany Mahanoro, amin’ny fotoana mahavokatra ny jirofo izao any an-toerana no hisian’ny vola sandoka, efa nisy ny saron’ny mpitandro filaminana tamin’izany. Mila mailo hatrany arak’izany ny rehetra rehefa mandray vola, sao tratran’ny sandoka. Tsiahivina fa gadra sy asa an-terivozona mandra-pahafatiny ny sazy, ho an’ireo minia manao izany tsy fanarahan-dalàna izany.