Sôh’son
Ho very fotoana eto lahy isika noho ny ataon’izao fitondrana Rajoelina izao. Aiza ka amin’ny 2028, hono, vao ho voavaha ny delestazy. Fitondrana tsy hanao raha izany, fa fandaniam-potoana ny vahoaka sy ny firenena izany.
Niara-nandre tsara ny vahoaka malagasy ny amin’ny teny fampanantenana nataony nandritry ny fampielezan-kevitra ho filoham-pirenena, ary notebahany mihitsy aza ny kandidà Ravalomanana mpifaninana taminy tamin’izany fotoana izany, fa tsy mahay noho izy raha io resaka famatsian-jiro sy vahaolana amin’ny delestazy io. Nokianiny mafy ihany koa ny filoha teo alohany fa tsy nahavaha ny olan’ny delestazy. Toy ny hoe vao miakatra eo amin’ny fitondrana izy, sady nilaza fa efa misy ny vola, dia ho voavahany ny olana amin’izany.
Iaraha-mahita sy miaina tsara anefa izao ny delestazy, izay lasa toy ny mahazatra isan’andro eo amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro. Zarina amin’izany ny vahoaka ho za-dratsy. Dia izao indray mbola tadiaviny hotohizana aman-taonany maro, fa tsy voavahany araka ny teny fampanantenana nataony izay tena zary poak’aty tokoa. Tsy hisy olom-pirenena na iray hafa aza ve hahavaha izao olan’ny delestazy izao alohan’ny 2028? Ela loatra raha io taona nambaran’ny filohan’ny repoblika io, ary tsy mendrika izany ny vahoaka malagasy. Ny fisian’ny delestazy miverimberina matetika isan’andro, na andro aman’alina mihitsy aza, ary mbola haharitra, dia manambara mazava fa firenena mahantra tanteraka i Madagasikara, ary mbola hijanona hahantra hatramin’io taona nomeny io.
Raha mahita sy mandre ihany koa ny fiovan-kevitra lava na tsy fitanana ny teny nomena nataon’i Andry Rajoelina hatramin’izay dia sarotra ny hino fa ho voahaja ireo taona nomeny ireo, na ny taona 2028 hamahana ny delestazy, na ny amin’ny taona 2038 nilazany fa hihenan’ny tahan’ny mahantra ho 37%, na ihany koa toy fanovana ny hevitry ny Miami tany Toamasina, sns. Iza no hino, fa ho voahazona izany tarehimarika izany? Rehefa avy eo hisy toe-javatra hitranga na eto amin’ny firenena na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia hiàla bala indray toy ny natao tamin’ny valanaretina covid-19 sy ny rivodoza. Izany hoe, fampiresahana tsotra izao no ataon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny teny nataony. Ho very fotoana araka izany ny firenena ka mila fiheverana izany. Ny firenen-kafa anefa, izay maro izy ireo ao Afrika na aty amin’ny ranomasimbe Indiana, dia efa mihazakazaka ny fandrosoany na ny fivoarany. Ny vahoaka malagasy kosa ho taraiky eto, sanatriavina…?