EDITO 6 Desambra – Hanao fety ao anaty fahantrana sy haizina ny Malagasy

Helisoa

Andro maromaro sisa dia higadona ny fankalazàna ny fety nahaterahan’ny mpamonjy: ny Krismasy, sy ny handraisana ny taona vaovao 2023. Manoloana izany, ny volana desambra ohatra izao dia efa somebiseby mitady ny fomba rehetra hiatrehina ny fety, mba hampifalifaliana ny ankohonana ny raim-pianakaviana, satria efa tototry ny fahantrana amin’ny fahasahiranana mandavan-taona loatra ny tokantrano Malagasy ankehitriny dia mba te hifaly.

Raha ny zavamisy hita sy miseho amin’izao fotoana anefa dia betsaka ny kivy satria hiaina ao anaty fahantrana sy haizina ihany ny Malagasy amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Miha-mafy ny delestazy, maro ireo miasa amin’ny resaka jiro no potika ny fitaovana entina miasa, tsy afaka miasa ara-dalàna vokatr’izany. Aiza izany no hahita vola hiatrehina ny fety, sy ny fiainana andavanandro? Mihetsika manohitra izany amin’izao ny fokontany maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina, toy ny teny Itaosy, Tanjombato, Soavimasoandro, Andoharanofotsy, sns… satria efa tsy rariny loatra ny zavamisy araka ny ambaran’izy ireo.

Araka izany, mitombo hatrany ny fahantrana vokatry ny delestazy, ny vola aloa amin’ny JIRAMA anefa mitombo hatrany tsy misy fiafarany. Ny fahantrana mianjady amin’ny Malagasy tsy ankanavaka moa efa tena mampiteny ny moana mihintsy. Tsy misy ny andraikitra matotra raisin’ny fanjakàna, fa toa manidintsidina tsy hita hoe mankaiza. Mivadibadika ilay velirano, fa tsy hita izay tena laharam-pahamehana amin’izany. Tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka, fa werawera ahafahana manao propavandy sahady no ataon’ny mpitondra. 10 volana ve ahavitàna inona intsony e, hoy ny maro? eo isika mahita izy, hoy ilay fiteny izay.