Politikan-dRajoelina – Politika fahalemena mialokaloka ambadik’ireo manana fitaovam-pamoretena

Andry Tsiavalona

Sangodimpanina politika azo heverina fa hampidaraboka izao fitondrana izao ny tranga etsy sy eroa efa nanomboka tamin’ny nandraisan-dRajoelina Andry ny fitantanana ny Firenena. Politika ny fanomezan-toky rehetra: IEM, PEM, Plan Marshall, velirano 13, nataon’ny filohan’ny Repoblika, talohan’ny fifidianana, nandritra ny fampielezan-kevitra, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Làlampanorenana ny didy tsy azo ivalozana, fa izy no lany ho filohan’ny Repoblika, tamin’ny fitsidiham-paritra nataony rehetra.

Tena politika avo lenta ny nanambarany fa ravàna ny Antenimierandoholona, fa mpandany vola kanefa dia naverina indray saingy nahena ho valoambinifolo ny isan’ny mpikambana. Politika mety ho « mitsinjo lavitra » ny tsy nanatan-terahana fifidianana izay ho filohan’ny Faritra, ka nanendrena governora ho eo amin’izany toerana izany. Politika no tao ambadiky ny raharaha Apollo 21, ka nampidirana am-ponja manamboninahitra ambony. Tsy azo lavina fa politika no nanagadrana ireo mpam-paneno lakolosy sy mpamoaka vaovao manozongozona ny fitondrana eo amin’ny toerany. Politika ny tsy fahasahiana misambotra sy mampiditra am-ponja ireo minisitra sy depiote mandika lalàna sy manondrana an-tsokosoko harem-pirenena. Politika fanapotehana ireo orinasam-pirenena toy ny Air Mad, Secren, Sirama, Madarail sns,…ary nananganana ireo orinasa toy ny Madagascar Airlines, Spm,… satria hitsentsitra ny tombony ho azon’ireo mpitantana ireo orinasa ireo. Politika, ny fanitsakitsahan’ny filohan’ny Repoblika ny Lalàmpanorenana miverimberina kanefa tsy sahy mandray andraikitra manoloana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Politika tena tsy mendrika ny Andrim-panjakana ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana izay tsy manaja ny fisaraham-pahefana, ka ny fahefana mpanatanteraka indray no mibaiko sy manaramaso ny fahefana mpanao lalàna. Politika entina mandemy saina ny fandrangarangana adim-poko, satria na ny mpanjanaka aza niala maina ka tsy tafiditra tamin’izany ny Malagasy tsy vakivolo. Tsy vitsy anefa ny mahay mandinika sy mahafantatra ny politika itantanan’izao fitondrana izao ny Firenena, ka tsy ho fanina na hivembena fa hijajirika mandrakariva eo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny.

Iaraha-mahalala fa nametraka fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra ny solombavambahoaka miisa dimy ambizato. Voarain’ny teny amin’ny fiadidian’ny Priomatiora ary efa nampitaina tamin’ny solombavambahoaka rehetra sy natao petadrindrina izany. Niaraha-nahita tamin’ny vaovao ihany koa fa niasa tany ivelan’ny Lapam-panjakana indray ny filohan’ny Repoblika rehefa nampahafantarina io fitsipaham-pitokisana io, ka nampiantso ny depiote sy ny Filohan’ny Antenimirampirenena, ka nanivaiva azy ireo sady nanome baiko ny hisintonana ny fitsipaham-pitokisana, fa tsy ekeny hono. Fanitsa-kitsahana ny Lalàmpanorenana indray izao nataon-dRajoelina Andry izao ary tena azo lazaina ho famadihana Tanindrazana, satria ny tena anisan’ny teboka lehibe nanaovany fianianana ny fanajana izany.

Andrasan’ny Malagasy mangetaheta fivoarana sy fahendrena eo amin’ny fitantanana ny Firenena ny hamoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpano-renana didy tsy azo ivalozana ho fanesorana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika, satria tsy voalohany ity fandikan-dalàna ity. Rehefa bangoina ireo fibolisarana rehetra nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny ekipany izao dia politika fahalemena ary politika fialokalofana ao ambadiky ireo manana ny fitaovam-pamoretena. Tsy azo adinoina anefa fa manana ankohonana miaina miaraka amin’ny mpiarabelona aminy izy ireo, sady mizaka ny vesatry ny fiainana eo amin’ny lafiny rehetra toy ny olompirenena, ka tsy maintsy hijoro, na ho ela na ho haingana, hanohitra izao tsy fanjariam-piainana ampiharin’ny fitondrana Rajoelina Andry izao. Izay voalaza rehetra teo izay dia manambara, fa tompondaka amin’ny fibolisarana koa Rajoelina Andry.