Tsy ekena hiverina intsony izay mpanapotika ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Miandoha ity ny taona vaovao 2023, izay ho taona, mampametra-panontaniana hoan’ny mpandinika, hoe hitondra inona amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena? Taona farany mamarana ny fitondrana Rajoelina ary hidirana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ka hanova inona?

Niaraha-nahita tsara ireny ny zava-nisy tamin’ny fihetsika nataon’ny ekipa Rajoelina nialoha ny nigadonan’ny fampielezan-kevitra, sy indrindra ny fotoam-pifidianana tamin’ny taona 2018. Niaraha-nahafantatra tsara ny nataon’ny mpikambana ny Ceni sy ny teo anivon’ny Hcc, tamin’ny fampandresena an-dRajoelina. Niaraha-nahalala ihany koa anefa ny zava-marina momba izany na dia niniana nafenina izany ary natao mihitsy izay fomba rehetra tsy ipoirany. Nisy fiantraikany tamin’ny fahavitrihan’ny olom-pirenena mpifidy taty aoriana tamin’ireo fifidianana sisa rehetra. Ankehitriny, migadona indray ny vanim-potoana hisian’ny fifidianana. Sanatriavina, mbola hiverina ve ny fomba ratsy rehetra sy ny fombafomba sy paipaika ratsy hanaovana izay hampahombiazana ny kandidà ironan’ny Ceni sy ny Hcc ? Hoan’ny mpamakafaka politika eto amin’ny firenena, ny fandavan’ny Hcc ny antontan-taratasy napetraky ny HCDDED tany dia fiandohan’ny fandavana samihafa rehetra mifandraika amin’ny « tsy azo raisina sy tsy mitombina ». Efa savaranonando iny, hoy ny mpandinika, ary mbola hoavy ny manaraka. Mila mandinika lalina sy manana politika matotra anaty fahendrena ny antoko politika tsy miaraka sy tsy manohana izao fitondrana izao, indrindra ny eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra na ny RMDM. Mila tandremana ihany koa ny tsy iverenan’ny fita-bitro natao tao anaty depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Inoana fa efa mivonona amin’izany tanteraka izy ireo sy manana ny paik’adiny ihany koa raha tarafina amin’ny ambaran’izy ireo any amin’ny haino aman-jery miara-dia aminy. Inoana ihany koa fa mihaino an’ireny sy manana ny heviny ny vahoaka.

Ao anatin’ny fitondrana Rajoelina, na tamin’ny andron’ny tetezamita na ny ankehitriny izay efa tsinjo ny fotoana hifaranany, dia volan-kankafotra ny fiainan’ny Malagasy ary tsy hisy fihatsaràny velively, fa ny an’ireo olom-bitsy teratany Malagasy sy vahiny indrindra ny karana, tsy manohintohina azy, na nanohana azy mihitsy, no hahazo vahana sy higalabona amin’ny harenan’i Madagasikara eto. Fahantrana lalin’ny vahoaka no nitranga sy fijotsoan’ny firenena amin’ny lafiny maro samihafa. Izany dia vokatry ny hadisoana safidy ihany noho ny fitaky ny be lazao ka nampitombina mazava ilay fitenenana hoe: “Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra”. Dia izao iaraha-miaina izao ny vokany. Mila mitoetra eto amin’ity firenena ity amin’izay ny fahamarinana, fa ampy izay taona maro nanakonana sy nanosihosena azy izay, ary mila manjaka amin’izay ny rariny sy ny hitsiny, fa izay ihany no hany lalana hahasoa sy hahavanona ity firenena ity. Miankina amin’ny fahatongavan-tsaina sy fanapahan-kevitry ny olom-pirenena ihany anefa izany.