Ny Valosoa
Raharaham-pirenena, fiainam-pirenena, firenena no ambara ao amin’ny Salamo (33:12): “Tia fahamarinana sy rariny Andriamanitra, henika ny famindrampon’i Jehovah ny tany”. Ity taona 2023 ity dia taona’ny fifidianana, ary misy zavatra tokony lazain’ny fiangonana amin’ny maha-mpitily ny firenena azy: “manasarotra ny olana politika ny fisian’ny halabato” ary “manasarotra ny famahana ny olana koa ny fisian’ny halabato”.
Lafo be izany sandan’ny halabato izany:
1- Tsy marin-toerana izay mitondra eo, fa ny ataony dia ny manao ny atao hoe “clientélisme” sy “intimidation”
2- Tsy misy fampandrosoana mety handeha eo.
Misy firenena iray izay, izay fahadimy avy amin’ny gisitra amin’ny laharana. Raha henoina ny feon’ny olona dia hoe “inona no mba mankany amin’ny vilaninay?”. Fa androany ianao manontania olona maro, fa tsy manam-bilany ko any olona, na nisy nangalatra ny vilaniny, na namidiny ny vilaniny. Ka inona intsony no hoanina.
Tahirinkevitra izay navoakan’ny banky iraisampirenena tamin’ny Septambra 2022. 3,3 miliara dolara no vola nomeny antsika tao anaty taona iray. Fa mihoatra lavitra noho izany ny tahirin-karena an-kibon’ny tany fotsiny dia mahatratra 800 miliara dolara eto Madagasikara araka ny tombana. Ka na 200 taona aza àry ny fanampiana 3,3 miliara dolara dia tsy mahatra an’io 800 miliara dolara. Izany hoe tsy ny fanampiana no ivelomana fa ny fampivoarana ny fiainam-pirenena, mba hanjaka ny fahamarinana sy ny rariny. Tsy rariny ny halabato, tsy rariny ny halatra sy ny zara vilana amin’ny harem-pirenena.
Izao no lazain’ny Ohabolana (30: 22), zavatra telo na efatra no tsy mampandroso ny tany ary ny iray amin’izany dia “raha ny andevo no tonga mpanjaka”. Eto dia tsy resaka firazanana akory fa ny andevon-karena, ny andevom-pahefana, ny andevon’ny fitiavan-karena. Raha ireny no tonga mpanjaka dia tsy tafavoaka isika. Fa ny olona tia fahamarina, ny olona tia rariny tahaka an’Andriamanitra no lazaina eto, (Salamo 33:12) fa “sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany”, satria olona tia fahamarinana sy rariny no mitondra.
“Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.” (Salamo 33:7). Koa inona àry izany no biby tokony ompiana (satria misy biby mandany rano an!), inona àry ny legioma tokony ho volena sy voninkazo tokony ho karakaraina, izay tsy mandany rano loatra. Minainaina isika hoe Jirama fa ao amintsika no manomboka io. Ndeha haka biby tsy misy eto Madagasikara ary eritreretina hiditra eto: elefanta ohatra. 150kg isanandro ny zavamaniry laniny ary ny rano sotroiny, izy ilay mitroka amin’ny orony lavabe iny, folo litatra iny, izany firy siô aminao trohiny indray mande dia lany. Rano 50 litatra isandro no laniny, koa mampidira elefanta eo amin’ny ranon’Anosy fa herinandro io dia ritra!
Fa raha miompy akoho ianao, “ny akoho misotro rano, na be na kely eo”, firy mililitatra ny rano laniny ary firy grama ny zavamaniry laniny. Izay manana ranomamy ampy sy betsaka no tafita. Ary izany no mahatonga firenena maro izay tsy ampy rano ho mamadika ranomasina ho rano azo sotroina, manangona ranon’orana, manao lavadrano sy vovo.Tamin’ny herintaona dia nisy fanangonambola nataontsika teto, nahavitàna vovo 11 tany amin’ny faritra Atsimo… Saino tsara momba io rano io fa harembe io.
“Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny hamaroan’ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ny haben’ny heriny. Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben’ny heriny.” (Salamo 33:16-17). Ny herin’ny tafika. Ndeha mba ho tenenina ny herin’ny tafika Malagasy. Manao ahoana ny heriny? 27/34 amin’ny firenena eto Afrika isika. Resy ihany isika izany. Hoe haka “îles Eparses” dia hiady amin’ilay matanjaka be io? Lalana hafa atrehina… Ny ambara dia izao: manana sabatra ianao, avadio angady izany, manana lefona ianao, avadio fanetezam-boaloboka izany, manana “kalachnikov” ianao, avadio angadinomby izany, manana bala ianao, avadio masimboly izany. Izay ampandroso ny toekarena no ilofosy. Raha tia ho tafavoaka ianao, tsy ny herin’ny miaramila no mahatafavoaka fa ny herin’ny toekarena mandroso sy ny fampamokarana tafita. Ahenao ny tetibolan’ny tafika raha atao ara-bakiteny izany, dia ampitomboy ny tetibolan’ny famokarana sy ny fampamokarana. Alefaso ny toekarena, areno ny fampandrosoana ny firenentsika dia mihena izao tsy fandriampahalemana izao, ary mitombo ny an’asa rehefa mandroso ny toekarena.
Nisy omby iray nitondraka teo amin’ny tanimboly, dia nisy karazana olona roa teo. Ny iray niteny hoe “ombin’iza àry io?” ary ny iray hoe “esory aloha ilay omby izay manimba tanimboly”. Iza amin’ireo no kristianina? Ny toetsain’ny fiangonana dia tsy mandany andro amin’ny hoe “fa iza marina no nandetika an’iza?”, “iza marina no nangalatra inona?”, fa hoe “esory aloha ilay omby mitondraka dia ho hita eo ny tohiny!”.
(Dika malalaka toritenin’ny mpitandrina Zaka Andriamampianina nandritra ny fitaom-pivavahana hitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2023)