Andry Tsiavalona
Nisy lahatsoratra mahavariana navoakan’ny gazety mpiseho isan’andro iray tamin’ny fiandohan’iny herinandro lasa iny, momba ny resaka fifidianana ho Filoham-pirenena amin’ity taona ity. Heverina fa diso fahavalo ity gazety ity amin’izany lahatsoratra izany. Tanisainy ary nasehony eo amin’ny pejy voalohany ny sarin’ireo azo heverina fa ho kandidà amin’izany fifidianana izany. Raha ny fahitàna azy hatramin’izay dia toa mpanohitra izao fitondrana izao ny tompon’ny gazety kanefa misy olona tsy ao anatin’ny fitondrana lasibatra ihany koa. Ny asan’ireo mety ho kandidà tany aloha tany no nasongadiny: mpitondra ronono, mpiambina tanànana karana, mpikosoka kapila ary irakiraka. Heverina fa azon’ny rehetra an-tsaina ireo olompirenena ireo. Nofaranan’ny mpanoratra tamin’ny hoe “aleo tsy mifidy” (mieux vaut s’abstenir) raha ireo no kandidà.
Ny iray moa dia iaraha-mahalala fa eo amin’ny faratampony amin’ny fitondrana ny Firenena, iray amin’ireo izay nandentika ny vahoaka ao amin’ny lavaky ny fahantrana sy fahalovana izao. Ny ambiny roa mety nanohana izao fitondrana izao fa nihodina 180° satria mahita sy mahatsapa, fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny sehatra rehetra. Heverina koa fa nahita ny lesoka rehetra tokony harenina izy ireo ka manana vahaolana mifandraika amin’izany. Ny iray efa filohampirenena koa ary 7,2% ny harinkarena faobe tamin’ny taona farany nialohan’ny nanonganana azy teo amin’ny fitondrana. Manana traikefa amin’ny fitantanana ny Firenena izy ary azo inoana fa efa ao aminy ny fahaiza-manao sy ny tetikady rehetra entina miatrika izao fahoriana mianjady amin’ny vahoaka izao. Araka izany dia tsy ny fandrisihana ny olompirenena tsy hifidy no atao, fa ny fanabeazana azy hahay mandinika sy mamakafaka ny toe-draharaha sy toe-javatra niainana tao anatin’ny efatra ambinifolo taona ka hifidy izay kandidà heveriny fa hanafaka ny Firenena ao anatin’ny krizy.
Hita etsy aloha fa ao anatin’ireo lasibatry ny lahatsoratra ny filohan’ny Repoblika ankehitriny ka tsy hitanisa ireo fibolisarana, na fanahiniana na tsy fanahiniana, fa hadihadiana ireo tranga tato ho ato izay heverina fa mbola mampitombo ny disadisa ara-politika sy mbola mampivarina ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Firenena noho ny misy azy ankehitriny. Nikiry hanao ny “arabe migodàna” ihany Rajoelina Andry ka nametraka ny “vato fototra” (vato fehizoro) ary nanomboka ny fitrongisana ireo tanimboly sy fanotofana ny tanimbarin’ny tantsaha eny Talata Volonondry. Tsy mbola nisy tokontaniny anefa ny fanonerana ny fangalàna (expropriation) ny tany handalovan’ilay arababe migodana. Nanatrika ny fivoriana an-tampon’ny Vondrona Afrikana tany Sénégal ny filohan’ny Repoblika, ka nikabary hoe “ny faniriany dia mba ho afaka hisakafo ara-dalàna ny vahoaka rehetra aty Afrika” (mon souhait est…). Midika izany fa tsy manana politika matotra entina manarina ity Firenena ity ny fitondrana ankehitriny, satria ny faniriana na ny nofinofy no entina mitondra ny Firenena. Rehefa tafaverina teto an-tanindrazana ny filohan’ny Repoblika dia nibolisatra indray tany Ilaka Est Vatomandry, nilaza fa nanome baiko ny minisitera tsirairay hanajanona ny fotodrafitrasa rehetra. Hifototra amin’ny sosialim-bahoaka hono ny fitondrana manomboka izao ka hajanona izany ny arabe migodàna efa namotehana ny tanimboly sy nanotofana ny tanimbarin’ny tantsaha ary tsy hanomboka ihany koa ny fanarenana ny làlam-pirenena izay mampikaikaika ny mpitatitra. Tsy ao an-tsain’ny fitondrana mihitsy ve fa hiteraka krizy sosialy izany, satria rehefa tsy tonga ny zavatra ilain’ny mponina an-davanandro dia hiakatra ny vidin’ny entana. Hiteraka krizy politika koa ny fanovàna amin’ny alàlan’ny kabary ny tetibolam-panjakana, koa heverina fa tokony mandray andraikitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), satria miverimberina loatra ny fanosihosena ny Lalàmpanorenana ataon-dRajoelina Andry tao anatin’ny efatra taona nahateo azy eo amin’ny fitondrana izay. Ny fandikana lalampanorenana farany nataony ankoatr’io tany Vatomandry io, dia ny fihaonana tamin’ny depiote tany amin’ny Arena Ivandry, nandritra ny resaka raharaha momba ny fitsipaham-pitokisana ireny.
Arak’izany dia fanabeazana ny olompirenena hahafantatra tsara izay kandidà hirotsaka ka ho fidiany amin’ny fotoana fandatsaham-bato no tsara ataon’ny mpanao gazety, fa tsy famporisihana ny vahoaka tsy hifidy. Tsy ho diso lasibatra ihany koa satria tsy mbola nisy namotika Firenena ny maro amin’ireo, fa ny mpitondra ankehitriny tarihan-dRajoelina izay ho kandidà, raha tsy misy andinin-dalàna manilika azy, no efa voaporofo tamin’izay rehetra nataony fa manapotika ny Firenena, no ampahafantarina ny nataony, ka tsy ho fidiana intsony.