Ambatondrazaka sy Amparafaravola – Tsy azo ivoahana amin’ny 9 alina ka hatramin’ny 3 maraina

Stefa

Noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny resaka fakana an-keriny, na kidnapping, misy ny “couvre à feu”: tsy azo atao nanomboka omaly ny fivoahana amin’ny 9 ora alina, ka hatramin’ny 3 ora maraina, any amin’ny distrikan’Ambatondrazka sy Amparafaravola, any amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Nisesisesy tokoa tao ho ao izay fakana an-keriny, sy ny resaka tsy fandriampahalemana amin’ny endriny samihafa izay any amin’iny faritra sompitr’i Madagasikara iny, nahatonga ny Prefet an’Ambatondrazaka nandray izao fepetra izao. Mbola tsy hita hatramin’izao ireo olona miisa 3, fianakaviana iray, nisy naka an-keriny ny zoma lasa teo tany Morarano Chrome Amparafaravola.

Araka ny vaovao voaray, mitaky hatramin’ny 200 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny. Ho fiatrehana izany, misy ireo mpitandro filaminana fanampiny avy aty an-drenivohitra amin’izao fotoana, manampy ireo any an-toerana. Nilaza i Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo, fa tsy maintsy iadiana ity resaka kidnapping ity, dia ho hita eo ny ho tohiny, fa tena miraviravy tanana tokoa ny any amin’iny faritra iny ankehitriny, noho io firongatry ny tsy fandriampahalemana io.