EDITO 2 Marsa – Fitondrana Rajoelina – Kabary tsy voahevitra no betsaka ataony

Beharo

Kabary tsy voahevitra no betsaka eto ataon’ny fitondrana Rajoelina. Raha izany lohateny izany no fakafakaina dia maro ny olona no heno teny rehetra teny fa kabary sy hain-teny tsy misy fandalinana, no ataon’ireo manampahefana ao amin’ny fitondrana ao amin’ny ankapobeny, miainga any an-tampony avy any amin’ny filohampirenena Andry Rajoelina.

Raha ny nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa ireny ohatra, dia maro ireo nilaza fa miendrika adim-poko, satria raha toerana 10 na 11 miaraka amin’ny Praiminisitra no tadiaviny homena ny zanak’i Fianarantsoa, mba ahoana ny zanak’i Toliara, Toamasina, sns… momba izay governemanta hitondra eo? Tsorina fa mety mora amin-dry depiote Naivo Raholdina ny manao hoe: na hasiana merina 20 aza eo, tsy olana fa i Rajoelina ihany ny anay, no tompon’ny teny farany, nefa raha izay dia mivadika zavatra hafa mihitsy indray no hitranga.

Midika koa izany fa tsy ampy olona tokoa ry Rajoelina. Tsy voahevitra ny hainteny na izay tatitra atao hoy ny maro, satria anisan’ny nanesorana ny minisitra teo aloha Richard Randriamandranto ny momba ny raharaha Rosia sy Ukraina, nefa ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fotsiny ihany dia nivadi-dela momba izany, ny minisitra Yvette Sylla dia nisabaka sady tsy atsy no tsy aroa, hono. Ny politikan-dry Rajoelina momba an’io dia mitranga mihemotra toa lelon-jaza. Moa ve tsy azo atao matotra ny filazana ireny ho an’ireo mpitondra, fa mba fanina koa ny vahoaka, sa atao kabary mantamanta fotsiny eny ihany?

Ao amin’ny kolontsaina tokoa ny kabary, nefa na ny filoha aza toa miteniteny foana manao ny azy rehefa tojo fitokanana na lanonambe, toa tsy mahatadidy na minia tsy mitadidy ny zavatra ambarany sy nambarany. “Manao be filaza; nefa tsy mahatanteraka”, tsy mifanaraka amin’izay ambarany ny tokony na tsy tokony hataon’ny minisitra miray dia aminy eo, na izay hafatra omeny ny manampahefana manotrona azy eo. Ny “Marina sa tsy marina, sy ny ekena sa tsy ekena ” foana no manakoako, nefa dia hita tokoa fa sady felaka tehamaina no manafosafo ny vahoaka, ary fandonana tapany ihany koa nefa mampandoa erany ny rehetra mihitsy, toy ny fanorenana sekoly sy hopitaly, Csb2…

Ny teny manara-penitra foana no atao mibaribary nefa ny seza sy fitaovana samihafa tsy ara-drariny, ny mpampianatra sy ny mpitsabo atao amin’izany dia odian-tsy hita amin’ny farany: toy ny Fram, ny CTC-19, tsy omena izay toky natao azy ireny, tsy tafiditra mpiasam-panjakana akory, ka mi-grevy etsy sy eroa.